Fomba fanamboarana « croquettes de courgettes »
Legioma iray isan’ny tsy dia be mpankafy ny korzety. Maro nefa ny fomba afaka hikarakarana azy io hahatonga azy matsiro sy tian’ny rehetra ka anisan’izany ity atoro manaraka ity : « croquettes de courgettes ». Araho eto ary ny fomba fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « croquettes de courgettes »
-Korzety kely 4 ;
-Levure chimique ½ ;
-Fromazy voakiky 50g ;
-Lafarina 200g ;
-Atody 3 ;
-Ronono 15sl ;
-Menaka hanendasana ;
-Sira sy dipoavatra.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Sasana ary fafana ny korzety avy eo voasana. Atao manify ny famoasana azy fa tsy esorina be loatra ny hodiny. Rehefa voavaofy dia esorina ny vaoniny avy eo kikisana. Ilay faritra lehibe amin’ny fikikisina no ampiasaina mba tsy hitera-drano be loatra ny korzety.
Kapohana anaty saladier ny atody sy ny lafarina ary ny levure. Arotsaka ao ihany koa ny fromazy voakiky. Tohizana kapohana sady arotsaka tsikelikely ny ronono. Asiana sira sy dipoavatra. Alefa ao manarak’izay ny korzety voakiky teo. Afangaro tsara hitambatra.
Afanaina anaty lapoaly lehibe ny menaka. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ao ny fangaro tokony eo ho eo amin’ny 1 sotro fihinanana. Somary fisahana kely ary avela ho mendimendy 2 minitra dia avadika. Endasina toy izy tsikelikely ny ambin’ny fangaro.
Rehefa masaka dia tsihifina tsara ny menaka avy eo apetraka eo ambony plat na lovia nasiana papier absorbant. Aroso mafana. Azo atao laoka na atao tsakitsaky ny « croquettes de courgettes ».