« Allergies alimentaires » eo amin’ny zaza : ‘ndeha ho resahana!
Maro ireo karazan-javatra mety mahatonga « allergies » eo amin’ny zazakely ka anisan’izany ny sakafo. Mety miseho amin’ny soritr’aretina samihafa, toy ny mibontsibontsina eo amin’ny hoditra sy fikorontanan’ny taovam-pandevonan-kanina moa izany. Fa inona tokoa ary ireo karazana sakafo mety mampisy « allergies » amin’ny zaza ? Inona no fambara ny « allergies » amin’ny sakafo eo amin’izy ireny ? Ahoana ny atao manoloana izany ?
Ireo sakafo mety mahatonga « allergies » eo amin’ny zazakely
Maro ireo sakafo mety mahatonga « allergies » eo amin’ny zazakely. Anisan’ireo matetika tsy tantin’izy ireny ka mila fitandremana tsara ny fanomezana azy ary ny :
-Atody. Isan’ireo sakafo mampisy « allergies » ny zaza ny atody. Mety tsy ho tantin’izy ireny na ny tapotsiny na ny tamenany. Matetika kosa nefa dia afaka ho azy izany rehefa lehibe.
-Rononon’omby. Maro ny zaza tsy mahazaka ny « protéines » ao amin’ny rononon’omby. Tsy mitovy amin’ny « intolérance au lactose » izy io. Amin’ny ankapobeny dia ao anatin’ny vokatra avy amin’ny ronono, toy ny fromazy, yaourt… no misy ireo « protéines » tsy tantin’ny zazakely ireo.
-Voanjo. Mety ho « graves » ary entina mandrapa lehibe ny « allergies » amin’ny voanjo. Rehefa manandrana manome azy io ny zazakely dia tsara kokoa raha voanjo voatoto tsara no omena azy.
-Trondro sy hazan-dranomasina. Mety ho tena mafy be ny « allergies » amin’ireto karazana sakafo ireto eo amin’ny zazakely.
Ny fitsipika lehibe rehefa hampanandrana sakafo « allergène » ny zazakely vao manomboka misakafo dia ny fampidirana izany tsirairay. Miandry 2 na 3 andro aorian’izay vao mampanandrana azy iray hafa indray, izany dia mba hahamora ny famantarana hoe inona no mety tsy zakan’ny zaza raha misy « allergie » mipoitra.
Ireo mety ho fambaran’ny « allergies » avy amin’ny sakafo eo amin’ny zaza
Mety mipoitra afaka minitra vitsy na ora vitsy aorian’ny fisakafoanana ireo soritr’aretin’ny « allergies » amin’ny sakafo eo amin’ny zaza. Mety ho samihafa ny hamafy sy ny fisehon’izany. Anisan’ireo fambara fahita ny :
-« Réactions cutanées », toy ny hoe misy mivaramena, mangidihidy, mandrotsirotsy na mibontsibontsina ny hoditra ;
-Fikorontanan’ny taovam-pandevonan-kanina, toy ny hoe mandoa, mivalana, mitohana… ;
-Olan’ny taovam-pisefoana, toy ny fahasahiranana miaina, mikohoka, maneno ny tratra rehefa miaina… ;
-Fambarana hafa, toy ny mivonto ny molotra, ny maso na ny tarehy, kizitina, mitomany be…
Ahoana ny atao manoloana ny « allergie » amin’ny sakafo eo amin’ny zaza ?
Raha tsikaritra fa manao « allergie » amin’ny sakafo ny zazakely dia ajanona tsy homena ilay sakafo intsony izy. Manantona ny mpitsabo mba hahazo ny torohevitra atao manoloana izany. Mila entina any amin’ny tobim-pahasalamana malaky kosa ny zaza raha misy soritr’aretina mafy toy ny hoe sahirana miaina na sempotra, mivonto ny lela na ny tenda, hatsatra, malemilemy, fanina na safotra.