• Cours de change
  • 5091.92 AR
  • |
  • $4456.06 AR
Copyright Image : © Consoglobe
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Manary kalsioma tokoa ve ny fihinanana mangahazo ?

03/08/2025 19:46 © Moov.Mg

Rentsika matetika eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe manary kalsioma na hoe « mamidekal » hoy isika. Fihevitra diso ihany nefa izany satria tsy mampihena velively ny kalsioma ao anatin’ny vatantsika ny fihinanana ity hanin-kotrana ity. Mila fahaizana kosa nefa ny fomba fikarakarana azy mba hisorohana ireo mety ho vokadratsiny.

Sakafo manankarena « glucides » ny mangahazo

Ny mangahazo dia haninkotrana iray tena manankerana « glucides » na siramamy, saingy kosa zara raha mitahiry « protéine », vitamina sy « lipide ». Ny « glucide » dia otrikaina mandray anjara lehibe amin’ny famokaran’ny vatana hery. Ireo hita anatin’ny mangahazo kosa nefa dia misy mivadika « cyanure » rehefa tafiditra ao amin’ny vatana. Ny « cyanure » dia poizina iray manakana ny sela tsy hahazo « oxygène » sy hamokatra hery. Mazava loatra fa raha be loatra izy io dia mety hampifanintona, hampalemy na koa hahafaty.
Marihana fa misy karazany roa ny mangahazo. Ny voalohany dia ny mangahazo mangidy izay be « glucides » mivadika « cyanure » ka tsy azo hoanina. Ny faharoa kosa dia mangahazo mamy izay ny hodin’ny fakany ihany no misy « cyanure » ka azo hoanina tsara rehefa karakaraina araka ny tokony ho izy. Io mangahazo mamy io moa no tena betsaka eto amintsika.

Ny fomba fikarakarana ny mangahazo mba tsy hankarary

Mila karakaraina tsara ny mangahazo alohan’ny hinanana azy mba tsy hankarary. Ireto avy ary ny fomba atao :
-Avela ho maina tsara amin’ny masoandro aloha ny mangahazo rehefa avy nangadiana fa tsy avy hatrany dia handrahoina.
-Voasana tsara ary sasana hiala ny loto.
-Andrahoina maharitra ary ariana rano matetika mba hampiala ireo « cyanure » entiny.

Inona no mety hitranga raha tsy voakarakara tsara ny mangahazo ?

Raha tsy voakarakara tsara araka ireo natoro ireo ny mangahazo, indrindra raha mihinana azy io matetika na betsaka, dia mety :
-Hampalemy ;
-Hahafa-jaza ny bevohoka ;
-Hiteraka « goitres » ;
-Hahatonga tsy fahatomombanana eo amin’ny fiasan’ny « thyroïde » ;
-Hahafaty.

Fehiny

Tsy manala na mampihena ny kalsioma ao amin’ny vatana ny fihinanana mangahazo. Manampy amin’ny famoronan’ny vatana hery izy io ka mety ho an’ireo mampiasa vatana toy ny mpanao fanatanjahantena. Mila harahana tsara kosa ny fikarakarana azy alohan’ny hinanana azy ary lanjalanjaina ny hatetik’izany. Tsy adinoina ny mihinana ireo sakafo mitondra vitamina, « protéines » sy « lipides » mba ho ampy hotrikaina rehefa avy nihinana mangahazo.

Lire la suite

Articles Similaires