Ririnina : tsy misy atahorana ve ny manao bà kiraro matory ?
Fahazarana iray be mpanao izay miteraka adihevitra maro ny fanaovana bà kiraro matory, indrindra rehefa ririnina. Misy ireo milaza fa tsy misy atahorana ny manao azy io ary tena mampahazo aina. Misy kosa etsy andaniny ireo manambara fa tsy mety amin’ny fahasalamana ny manao bà kiraro matory. Raha ny marina dia sady misy lafy tsara no misy lafy ratsiny ity fahazarana ity.
Ireo lafy tsaran’ny fanaovana bà kiraro matory
Maro ireo lafy tsaran’ny fanaovana bà kiraro rehefa matory :
-Manatsara ny fikorinan’ny rà. Rehefa matory manao bà kiraro dia mafana ny tongotra ka dia mihitatra ny lalandrà. Izany dia mampizotra tsara ny fikorinan’ny rà ka dia manampy amin’ny fisorohana ny « crampes » amin’ny alina ;
-Manamora ny fahitan-tory. Ny fanafanana ny tongotra alohan’ny hatory dia manampy ny vatana handefa hafatra amin’ny saina hoe efa mila matory. Rehefa mangatsiaka ny andro mora mahita-tory kokoa rehefa manao bà kiraro satria tsy voaelingelin’ny hatsiakan’ny tongotra ;
-Manampy amin’ny fanamandinana ny tongotra. Rehefa hosorona « crème hydratante » ny tongotra alohan’ny hampidirana ny bà kiraro sy hitondrana ireto farany matory, dia lasa mandimandina sy malefaka kokoa ny hoditra. Fomba manampy kikarakarana ny tongotra makiana sy vakivaky ihany koa izany.
Ireo mety ho lafy ratsin’izany
Na dia maro aza ireo lafy tsaran’ny fatoriana manao bà kiraro dia misy ihany koa nefa ireo mety ho lafy ratsin’izany :
-Mety mampisy « infection fongique ». Raha maloto na tery loatra ny bà kiraro entina matory dia mety mitazona hamandoana sy hafanana mampisy « champignons » ao amin’ny tongotra izany ;
-Maneritery be loatra. Raha tery loatra ny bà kiraro anaovana rehefa matory dia mety manelingelina ny fikorian’ny rà sy mahatonga volivoly ao amin’ny tongotra. Ilaina arak’izany ny misafidy bà kiraro tsy manery loatra ny kitrokely sy ny rantsan-tongotra rehefa matory ;
-« Allergies » ny hoditra. Misy olona sasana mety tsy mahazaka na hoe « allergiques » amin’ny karazan-damba « synthétiques », toy ny « nylon » na « polyester ». Raha manao ireny karazana bà kiraro ireny matory dia mety ho tratry ny « irritations » ny hoditry ny tongotra. Tsara arak’izany raha bà kiraro « coton » na « laine » no anaovana mba hisorohana ny « allergies ».