Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny trondro
Anisan’ireo sakafo tsara hoanina rehefa manaraka fomba fisakafoanana voalanjalanja sy ara-pahasalamana ny trondro. Manankarena otrikaina ilain’ny vatana tokoa izy ireny ka maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana azy. Andeha ary ho fantarina ny santionany amin’ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny trondro.
Vokatsoa azo avy amin’ny trondro : mikolo ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà
Ny trondro, indrindra ireo trondro matavy toy ny « saumon », « sardine », « maquereau » sy « hareng » dia mitondra « acides gras oméga-3 » amin’ny fatrany ambony. Ireo tavy tsara na hoe « saines » ireo dia mandray anjara lehibe amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà amin’ny alalan’ny fampihenana ny tahan’ny « triglycérides » ao anaty rà, fandrindrana ny tosidrà, fisorohana ny fiforonan’ny vaingan-drà anatin’ny lalandrà…
Atidoha miasa tsara kokoa
Ny « oméga-3 », indrindra ny DHA, ao anatin’ny trondro dia isan’ireo singa mandrafitra ny atidoha. Ny DHA dia no mandrafitra ny 97% ny « acides gras oméga-3 » ao anatin’ny atidoha. Ny fihinanana trondro manankarena azy io matetika arak’izany dia tena ilaina mba hanatsarana ny fiasan’ny atidoha amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainana. Dieny ao am-bohoka dia ilaina izy io hampitombo ny atidohan’ny zaza. Eo amin’ny lehibe dia manampy amin’ny fitazomana ny fiasan’ny atidoha, ny fitadidiana sy ny fianarana ny fihinanana trondro. Mety manampy amin’ny fampihenana ny soritr’aretin’ny fahaketrahana sy ny tebiteby ihany koa ity farany.
Hozatra sy taolana mafy kokoa
Ny trondro ihany koa dia mitondra « protéine » tsara ao amin’ny vatantsika. Ireo « protéines » ireo dia miasa amin’ny fandrafetana sy ny fanarenana ireo « tissus », indrindra ao amin’ny hozatra. Ankoatra izay dia mitahiry vitamina D ny trondro. Io vitamina io dia tena ilaina amin’ny fisorohana ny aretin’ny taolana toy ny « ostéoporose ». Manampy amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny hery fiarovana ihany koa moa izy io.
Impiry ary no tokony mihinana trondro ?
Araky ny nambaran’ireo manampahaizana amin’ny « nutrition » dia tsara raha mihinana trondro in-droa isan-kerinandro ka ny indray mandeha amin’izany dia trondro matavy na « poisson gras ». Ovaovaina ny karazana trondro hoanina mba hisitrahana ireo otrikaina entin’izy ireny. Azo andrahoina, atono, masahana amin’ny entina, atao anaty lafaoro…ny trondro. Afaka mihinana trondro endasina ihany koa fa tsy atao matetika noho izy be menaka loatra.