• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Fizimed
Image
Reny&Zaza

Bevohoka: inona no mitranga aorian’ny fiterahana na ny « post-partum » ?

30/07/2025 21:12 © Moov.Mg

Mbola tsy dia resahana firy eto amintsika ny mikasika ny zavatra hiainan’ny reny aorian’ny fiterahana na ny hoe « post-partum ». Maro tokoa nefa ireo fiovana eo amin’ny vatana sy ny andavanandrom-piainan’ny reny avy niteraka. Tsara ny mahafantatra ireo fiovana ireo mba hahafahana miomana sy miatrika am-pitoniana izany. Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Inona no atao hoe « post-partum » ?

Ny « post-partum » dia ny fotoana manaraka ny fiterahana, izany hoe rehefa manomboka mihasitrana ny vatan’ny reny taorian’ny fitondrana vohoka sy fiterahana. Dingana iray hisehoan’ny fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po maro eo amin’ny vehivavy izy io. Maharitra hatramin’ny 6 herinandro aorian’ny fiterahana izany amin’ny ankapobeny, nefa koa mety mihoatra izany, miankina amin’ny vehivavy tsirairay. Inona avy ary ireo fiovana mety mitranga mandritra ny « post-partum » na hoe aorian’ny fiterahana ?

Ireo fiovana ara-batana

Mazava ho azy fa misy ireo fiovana miseho eo amin’ny vatan’ny vehivavy rehefa aorian’ny fiterahana. Anisan’izany ny :
-« Rétraction » ny tranon-jaza. Miverina tsikelikely amin’ny habeny sy ny fipetrany ara-dalàna ny tranon-jaza ka mety hanaikitra na hanaintaina toy ny tamin’ny nihetsi-jaza izany.
-« Pertes vaginales ». Mety hisy « pertes » na tsiranoka misy rà kely mivoaka amin’ny reny tera-bao mandritra ny herinandro maromaro aorian’ny fiterahana. Miova tsikelikely ho lasa « pertes » mazava ihany nefa izany rehefa mandeha ny fotoana.
-Fiovaovan’ny hormonina. Lasa mihena ny hormonin’ny fitondrana vohoka ka mety hisy fiantraikany amin’ny « humeur », ny torimaso sy ny fahazotoan-komana.
-Fanaintainana. Mety hahatsapa manaintaina ny nono, ny lamosina na koa eo amin’ny « périnée » raha notatahana na rovitra teo am-piterahana.
-Harerahana. Ny tsy fahampiana torimaso sy ny andraikitra vaovao vokatry ny fitaizana dia mety hiteraka harerahana mafy eo amin’ny reny, indrindra mandritra ny « post-partum ».

Ireo fiovana ara-pihetseham-po

Ankoatra ny vatana dia mety hitarika fiovana ara-pihetseham-po eo amin’ny reny ihany koa ny « post-partum ». Anisan’ireo fiovana mety mitranga ny :
-« Baby blues » izay fahatsapana halahelo, tebiteby sy harerahana mandalo eo amin’ny reny tera-bao. Mety mitranga izy io ao anatin’ireo andro voalohany aorian’ny fiterahana.
-« Dépression post-partum ». Eo amin’ny tranga sasany dia mety mitarika « dépression post-partum » eo amin’ny reny tera-bao ny fiovaovan’ny hormonina sy ny tsy fahampiana torimaso. Mila fandraisana an-tanana avy amin’ny mpitsabo izy io satria mety tsy hisinda na ho sitrana ho azy.
Zava-dehibe ny fanantonana mpitsabo na rasazy mba hanara-maso ny « post-partum » na ny fahasalaman’ny reny aorian’ny fiterahana. Izany dia mba hiantohana ny fahasitranany ara-batana sy ny filaminany ara-tsaina manoloana ireo fiovana maro taorian’ny fiterahana.

Lire la suite

Articles Similaires