• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © L_Eclaireur-Progrès
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahanteran’ny atidoha : torohevitra hahela ny fahatongavan’izany

25/07/2025 11:12 © Moov.Mg

Dingana voajanahary mahakasika ny vatana iray manontolo ny fahanterana, ka anisan’izany ny atidoha. Na dia misy aza ireo fihenan’ny fiasan’ny atidoha sasany tsy azo sakanana rehefa miha antitra, dia azo atao tsara ny mitandro ny fahasalamana sy ny fahatanjahan’ny atidoha. Fa inona tokoa no mitranga rehefa antitra ny atidoha ary ahoana ny atao hahela ny fahatongavan’izany ?

Inona no atao hoe fahateran’ny atidoha ?

Manomboka ny faha 50 taonan’ny olona iray dia mihena eo amin’ny 2% isaky ny foto taona ny haben’ny atidoha. Io fihenana ara-boajanahary io matetika dia miaraka amin’ny fihenan’ny « réflexes », ny fitadidiana sy ny fahatakarana ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny dia miseho miadana sy tsikelikely ireo fiovana ireo. Eo amin’ny tranga sasany nefa dia mety hitranga malaky io fahanteran’ny atidoha io ary miaraka amin’ny « troubles cognitifs » mazamazana, toy ireo aretina « neurodégénératives » tahaka ny Alzheimer, Parkinson…

Ireo anton-javatra mety mandrisika ny fahanteran’ny atidoha malaky

Maro ireo anton-javatra mety manafaingana ny fahanteran’ny atidoha. Anisan’izany ny :
-Tsy fitoniana ara-tsaina, toy ny tebiteby, fahakizitinana, fahatezerana sy rarintsaina maharitra ;
-Tsy fahampiana fanetsiketseham-batana ;
-Sakafo tsy ara-pahasalamana, toy ny fihinanana sakafo voahodina, be menaka, tsy ampy otrikaina ;
-Tsy fahampiana torimaso ;
-Fitokatokana monina ;
-Toaka sy sigara ;
-Areti-mitaiza, toy ny tosidrà avo, diabeta…

Ireo torohevitra manampy hahela ny fahanteran’ny atidoha

Azo atao tsara ny manamboatra ny fomba fiaina mba hitazomana ny fahasalaman’ny atidoha sy hahela ny fahanterany. Ny tanjona dia ny handrisihana ny fiasa, hanomezana sakafo sy hiarovana ny atidoha :
-Ampiasaina matetika ny atidoha amin’ny alalan’ny fianarana zava-baovao (teny vahiny, zava-pitendry…), filalaovana kilalao mampiasa saina… ;
-Tia mikarokaroka ny saina. Mikaroka lohahevitra vaovao dinihina, mandray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra, fitsangatsanganana… ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Ny trondro matavy be « oméga-3 », voankazo sy legioma, voamaina… no isan’ny tena ilain’ny atidoha ;
-Ferana ny fihinanana siramamy, sakafo matavy sy voahodina ;
-Misotro rano tsara anatin’ny tontolo andro ;
-Manetsiketsika vatana matetika. Azo atao ohatra ny manao dia malaky, milomano, mitaingina bisikileta, mandihy, manao fanatanjahantena… ;
-Manao ampy torimaso tsara ;
-Ezahana fehezina ny rarintsaina, tebiteby, fahakizitinana… ;
-Mifanerasera aman’olona fa tsy mitokatokana ;
-Tandrovana ny fahasalaman’ny fo sy lalandrà ;
-Ferana arak’izay azo atao ny toaka. Fadiana ny sigara.

Lire la suite

Articles Similaires