• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Cuisine À L'Ouest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « quiche sans pâte » tsy be masonkarena

24/07/2025 16:46 © Moov.Mg

Sakafo isan’ny tena matsiro sy ankafizin’ny rehetra ny « quiche ». Raha ny fanamboarana azy io mahazatra moa dia mila mampiasa « pâte brisée ». Mahabe masonkarena nefa ity farany raha vidiana vita ary mandany fotoana raha amboarina ao an-trano. Araho eto ary ny fomba fanamboarana « quiche » matsiro tsy mila « pâte » ary tsy be masonkarena.

Ireo akora ilaina raha hanao « quiche » tsy mila « pâte »

-Ronono 50sl ;
-Lardons 150g ;
-Fromazy voakiky 100g ;
-Lafarina 100g ;
-Atody 3 ;
-Poireau tahony 1 (tsy voatery) ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Endasina anaty lapoaly ny lardons mandrapahazoany loko « dorés ».
Atao anaty saladier ny atody, ny ronono sy ny lafarina. Asiana sira sy dipoavatra. Afangaro amin’ny fouet.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny lardons sy ny fromazy voakiky. Afangaro tsara.
Hosorana dibera ny lasitra fampiasa rehefa manao « tarte ». Alefa ao ilay fangaro namboarina teo.
Sasana ary tetehana manify ny poireau. Alefa ao anatin’ny lasitra ihany koa, somary atao miparitaka. Azo tsy asiana ihany raha tsy tia poireau.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 35 minitra eo ho eo.
Avela somary matimaty vao aroso hoanina.

Lire la suite

Articles Similaires