• Cours de change
  • 5083.21 AR
  • |
  • $4426.42 AR
Copyright Image : © Allodocteurs
Image
Fahasalamana&Sakafo

Homamiadan’ny « thyroïde » : ireo fambara tokony hahamailo

17/07/2025 15:50 © Moov.Mg

Ny « glande thyroïde », ao amin’ny foto-tenda, dia mitana andraikitra lehibe amin’ny fandrindrana ny fiasan’ny vatana sy ireo taova « vitales ». Raha tratry ny homamiadana izy io dia mety tsy tsikaritra ny fiombon’izany satria matetika tsy manaintaina ary tsy misy soritr’aretina mora tsikaritra. Noho io antony io mahazana dia mety ho tara ny fandraisan-tanana ilay aretina ka mampananosarotra ny fitsaboana azy. Misy ihany nefa ireo fambaran’ny homamiadan’ny « thyroïde » tokony hahamailo, ka anisan’izany ireto manaraka ireto.

Misy boribory mivaingana, tsy marary nefa tsy mety afaka, ao amin’ny tenda

Ny fisian’ny boribory mivaingana na « nodule thyroïdien » dia isan’ireo fambara hita maso ny homamiadan’ny « thyroïde ». Matetika moa dia amin’ny fomba tsy nahy no ahitana azy io. Amin’ny ankapobeny dia tsy marary ary tsy manelingelina izy io amin’ny voaloahany. Mila fanaraha-maso ara-medikaly ihany nefa ny fisian’izy io.

Miova ho azy ny feo nefa tsy fantatra mazava ny anton’izany

Raha toa ny feo ka lasa farina na somary midoboka ho azy, na koa lasa somary sahirana rehefa miteny dia mety midika izany fa mety misy « tumeur » manery ny « nerf laryngé ». Anisan’ny fambara lehibe tokony hahamailo izy io ary mety mitranga na dia tsy misy ilay boribory mivaingana tsapa àry ao anatin’ny tenda.

Sahirana mihaina na mitelina

Ny fahatsapana hoe misy manery ao amin’ny tenda izay manelingelina ny fiainana (respiration), indrindra rehefa mitsilany, na koa ny fahasahiranana mitelina dia mety manambara fa manomboka voapotsitra na tery ny « œsophage » na ny « trachée ». Matetika ireo fambara ireo dia heverina fa avy amin’ny rarintsaina na olan’ny fandevonan-kanina tsy misy atahorana ka hamaivanina eny. Raha mitranga izany dia aleo hatrany manantona mpitsabo.

Ireo fambara hafa tsara fantatra

Ankoatra ireo fambara voalaza ireo dia misy ihany ireo soritr’aretina matetika tsy dia rarahiana firy nefa mety efa manambara homamiadan’ny « thyroïde ». Anisan’izany ny :
-Havizanana lalina sy maharitra izay tsy fantatra mazava ny antony ;
-Fahasahiranana miaina rehefa matory ;
-Fitomboan’ny « ganglions » ao amin’ny tenda. Mety ho hita maso izany na koa mety ho tsapan’ny tanana.

Lire la suite

Articles Similaires