• Cours de change
  • 5093.41 AR
  • |
  • $4422.68 AR
Copyright Image : © La-Vie-Des-Reines
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Aménorrhée » na tsy fisian’ny fadim-bolana : ‘ndeha ho resahana !

16/07/2025 16:28 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mampiasa saina eo amin’ny vehivavy maro ny « aménorrhée » na ny tsy fisian’ny fadim-bolana. Ny fitondrana vohoka, fampinonoan-dreny sy ny « ménopause » no antony voajanahary sy ara-dalàna mety mahatonga azy io. Ankoatra izay dia mety ho fambara olana ara-pahasalamana izany. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « aménorrhée » na ny tsy fisian’ny fadim-bolana.

Inona no atao hoe « aménorrhée » na tsy fisian’ny fadim-bolana ?

Ny « aménorrhée » dia ny tsy fisiana na tsy fandehanan’ny fadim-bolana. Mizara ho karazany roa lehibe moa izy io, dia ny :
-« Aménorrhée primaire » izay mikasika ny tovovavy mbola tsy tonga fotoana mihintsy alohan’ny faha 15 na 16 taonany nefa efa miforona ara-dalàna ireo toetra ara-pananahana faharoa, toy ny nono, ny volo…
-« Aménorrhée secondaire » izay tsy fisian’ny fadim-bolana mandritra ny 3 volana misesy fara fahakeliny eo amin’ny vehivavy efa tonga fotoana ara-dalàna taloha. Ity karazany faharoa ity moa no tena matetika hita.

Ireo antony mety mahatonga ny « aménorrhée »

Maro ireo antony mety mahatonga ny « aménorrhée » na ny tsy fisian’ny fadim-bolana, toy ny fikorontanan’ny hormonina, toe-batana, fototarazo na fomba fiaina.
Anton’ny « aménorrhée primaire » :
-Tsy fahatomombanana « génétiques » na « chromosomiques » ;
-Olana eo amin’ny toe-batana, toy ny fahasamponan’ny tranon-jaza, ny fivaviana na ny « hymen » izay manakana ny fivoahan’ny ràn’ny fadim-bolana ;
-Fikorontanan’ny hormonina izay tsy mahatomombana ny « glandes » mandrindra ny fadim-bolana.
Anton’ny « aménorrhée secondaire » :
-Fitondrana vohoka sy fampinonoan-dreny ;
-Rarintsaina lalina na « choc émotionnel » izay mety manakorontana ny famokarana hormonina ;
-Fanaovana fanatanjahantena na fampiasana vatana mafy loatra ;
-« Troubles alimentaires » izay mety mampihena be sy manakorontana ny hormonina ;
-Fihenana na fahatavezana be tampoka ;
-« Syndrome des ovaires polykystiques » ;
-« Insuffisance ovarienne précoce », izany hoe tsy miasa tsara intsony ny « ovaire » alohan’ny faha 40 taona.
-Olan’ny « thyroïde » ;
-« Tumeur de l’hypophyse » ;
-Fampiasana karazana fanafody sasany, toy ny « antidépresseurs », fanafody tosidrà, fanabeazana aizana sasany.

Oviana no mila manantona mpitsabo ?

Tsy tokony hamaivanina ny tsy fisian’ny fadim-bolana eo amin’ny vehivavy satria mety ho fambara olana ara-pahasalamana ilaina fandraisana an-tanana izany. Noho izany, mila manantona mpitsabo raha toa ka :
-Tsy mbola tonga fotoana mihintsy nefa efa fena 15 na 16 taona ;
-Efa tonga fotoana ara-dalàna teo aloha ka nijanona tsy nandeha intsony izany nandritra ny 3 volana nisesy nefa tsy bevohoka, tsy mampinono na mbola tsy « ménopause » ;
-Misy soritr’aretina mampitaintaina miaraka amin’ilay tsy fandehanan’ny fadim-bolana, toy ny aretin’andoha mafy, manjavozavo ny fahitana, mihintsana ny volo, maniry be loatra ny volo, makiana ny fivaviana, manao « bouffées de chaleur », misy tsiranoka mivoaka ny nono.
-Matahotra sao tsy mety mahazo zaza.
Ny fanantonana mpitsabo malaky hitadiavana ny anton’ilay « aménorrhée » sy hitsaboana izany dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ny mety ho fahasarotana any aoriana.

Lire la suite

Articles Similaires