• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Flow La Savonnerie
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanamboarana savony tsy mampiasa « soude »

09/07/2025 16:42 © Moov.Mg

Maro amintsika no maniry hanamboatra savony vita ao an-trano. Marihana dieny ety am-piandohana fa tsy afaka mampiasa savony tsy misy « soude caustique » tanteraka. Akora ilaina amin’ny « saponification » izy io, izany hoe mamadika ny menaka ho lasa savony. Raha tsy te hampiasa io akora simika io dia afaka soloina « savon de Marseille » izy io. Araho eto ary ny fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao savony tsy mampiasa « soude »

-Savon de Marseille 200g ;
-Rano 200ml ;
-Menaka zavamaniry toy ny oliva, amande douce, diloilo… 2 sotro fihinanana ;
-Huile essentielle manome hanitra azy raha tiana fa tsy voatery.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Kikisana ny savon de Marseille. Atao tena manify tsara mba ho mora mitsonika.
Atao anaty vilany ny rano ary arotsaka ao ny savon de Marseille voakiky. Ataingina ambony afo malefaka kely sady aroharoana matetika amin’ny spatule. Azo atao « bain-marie » ihany koa mba hitsonika miadana sy tsy hiraikitra amin’ny vilany.
Tohizana haroharoana hatrany mandrapahazoana fangaro mitambatra tsara sy malama. Mety maharitra eo amin’ny 15-20 minitra eo izany. Rehefa vita izay dia bataina teo ambony afo avy eo arotsaka ny menaka zavamaniry. Afangaro tsara.
Rehefa matimaty dia arotsaka ny huile essentielle raha mampiasa. Aroharoana moramora. Arotsaka anaty lasitra ny savony. Atao mifatratra tsara mba tsy hisy rivotra miforona ao anatiny. Avela ho maina mandritra ny 24 hatramin’ny 48 ora. Mihamafy izy io rehefa mangatsiaka.
Rehefa mafy tsara dia esorina tao min’ny lasitra. Mba ho mafy tsara sy maharitra dia tsara raha avela ho maina eo amin’ny rivotra mandritra ny 2 herinandro. Atao eo ambony zavatra makarakara (grille) ary avadibadika tsindraindray.

Lire la suite

Articles Similaires