Torohevitra manampy mba hampateza ny « smartphone »
Lasa ampahany manan-danja amin’ny fiainana andavanandro ny finday avo lenta na ny « smartphone ». Maro nefa no mahatsikaritra fa afaka taona vitsy dia lasa mihena ny faharetan’ny « batterie », miadana ny fiasan’ilay finday, na miseho ny fahasimbana isan-karazany. Marina moa fa toy ny zavatra rehetra dia manana ny « durée de vie » ihany koa ny « smartphone ». Na izany aza nefa dia misy ihany ireo torohevitra tsotra afaka manampy amin’ny fikoloana azy ireny mba hateza ela kokoa.
Torohevitra mampateza ny « smartphone » : Karakaraina tsara ny « batterie »
Ny « batterie » no isan’ny singa voalohany mihasimba rehefa mandeha ny fotoana. Ny ankamaroan’ny « smartphone » ankehitriny dia mampiasa « batterie lithium-ion », izay mihena tsikelikely ny fahafahany mitahiry herinaratra rehefa ampiasaina sy averimberina ampidirana herinaratra (charger). Mba hisorohana ny fahasimban’ny « batterie » aloha loatra dia tsara raha :
-Tsy avela ho tratran’ny hafanana be ny finday, toy ny ao anaty fiara mijanona amin’ny masoandro na eo akaikin’ny loharanon-kafanana. Ny hafanana tafahoatra dia isan’ny antony lehibe manimba « batterie » ;
-« Chargeur »sy « câble » natolotry ny mpanamboatra na mifanaraka amin’ny fenitra voatondro ihany no ampiasaina ;
-Alefa ny rafitra "charge optimisée" raha misy ao amin’ny finday. Izy io dia manampy amin’ny fampihenana ny fotoana ijanonan’ny « batterie » amin’ny 100 %, ka mety hampihena ny fahanterany.
Atao manara-penitra ny « mise à jour »
Tsy fanampiana endri-javatra vaovao fotsiny ihany no entin’ny fanavaozana rafitra na « mise à jour ». Mitondra fanitsiana ny mety ho lesoka ara-piarovana sy fanatsarana ny fahombiazan’ny fitaovana ihany koa izy ireny. Ny « smartphone » atao « mise à jour » matetika dia voaaro kokoa ary matetika mandeha tsara kokoa mandritra ny fotoana maharitra.
Fadiana ny hafanana tafahoatra
Tsy ny « batterie » ihany no voakasiky ny hafanana be fa mety hisy fiantraikany amin’ireo singa elektronika hafa anatiny ihany koa izany. Mety hiteraka hafanana tafahoatra amin’ny « smartphone » ny:
-filalaovana lalao mandany hery betsaka mandritra ny fotoana ela;
-fakana horonantsary avo lenta mandritra ny fotoana maharitra;
-fametrahana ny finday amin’ny masoandro mivantana;
-famahanana « batterie » amin’ny toerana mafana loatra.
Raha tsapa fa mafana be ny finday dia aleo apetraka vetivety mba hihena ny maripana alohan’ny hampiasana azy indray.
Arovana amin’ny dona mafy sy fianjerana
Ny fampiasana « coque » sy « cahe écran » dia afaka mampihena be ny loza ateraky ny dona sy ny fianjerana. Na ny triatra kely aza dia mety hahafahan’ny vovoka na hamandoana miditra ao anaty fitaovana ka hiteraka fahasimbana lehibe kokoa any aoriana.
Tantanana tsara ny « applications »
Misy « applications » sasany miasa any ambadika any ka mandany « batterie » sy loharanon-kery hafa. Ny mpanamboatra dia efa manoro hevitra ny hijerena matetika ireo « applications » mandany herinaratra betsaka sy hamerana ny fiasan’izy ireny raha ilaina.
Tsara ihany koa ny mamafa ireo « applications » tsy ampiasaina mba:
-hanalalahana ny toerana fitahirizana (stockage) ;
-hampihenana ny fandaniana « batterie »;
-hanampiana amin’ny fanatsarana ny hafainganam-pandehan’ny finday.
Tandremana ny toerana fitahirizana (stockage)
Rehefa mitady ho feno tanteraka ny toerana fitahirizana dia mety hiadana ny fiasan’ny « smartphone ». Mba hisorohana izany dia ilaina ny:
-Mamafy tsy tapaka ireo « fichiers » tsy ilaina;
-Mamindra ny sary sy horonantsary any amin’ny « cloud » na solosaina ;
-Manala ireo « applications » tsy ampiasaina intsony.




