• Cours de change
  • 5110.33 AR
  • |
  • $4411.06 AR
Copyright Image : © Laboratoires Biorl
Image
Fahasalamana&Sakafo

Areti-tenda : inona no antony mampaharitra azy ary inona no vahaolana

09/07/2025 12:47 © Moov.Mg

Aretina mandalo isan’ny matetika mitranga ny areti-tenda. Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy izy io ao anatin’ny andro vitsy. Misy fotoana kosa nefa mety maharitra io areti-tenda io ary mila fitsaboana vao sitrana. Andeha ary ho fantarina ireo antony mety mampaharitra ny areti-tenda ary ny tokony atao manoloana izany.

Afiriana no misinda ny areti-tenda ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy dia misy atahorana ny areti-tenda. Soritr’aretina iray manelingelina sy manaintaina maharitra eo amin’ny andro vitsivitsy ary misinda ho azy izy io. Matetika dia otrikaretina avy amin’ny viriosy na bakteria, na koa avy amin’ny « irritation toxique » no mahatonga ny areti-tenda. Atao hoe maharitra na mitoetra (chronique) ity farany raha toa ka tsy misinda ho azy anatin’ny andro vitsivitsy.
Marihana moa fa mety miseho eo amin’ny faritra samihafa ny fanaintainana vokatry ny areti-tenda : ao amin’ny « pharynx », « amygdales », « larynx ». Samy manana ny fisehony ny areti-tenda, miankina amin’ny faritra misy azy sy ny anton’izany. Raha toa ka miseho miaraka amin’ny fanaviana be, mandrotsirotsy eo amin’ny hoditra, fivontosan’ny tenda na havizanana ny areti-tenda dia mila manantona mpitsabo.

Inona no mahatonga ny areti-tenda « chronique » ?

Ny areti-tenda vokatry ny otrikaretina no tena matetika fahita. Raha avy amin’ny viriosy izy io dia misinda ho azy amin’ny ankapobeny. Raha avy amin’ny bakteria dia mety mila fanafody izay vao sitrana. Ny areti-tenda « chronique » dia mety ho avy amin’ny anton-javatra hafa, toy ny :
-Fifohana sigara ;
-« Reflux gastro-oesphagien », izany hoe misy « remontées acides » miakatra sy mandoro ny ao amin’ny foto-tenda. Mahazana dia avy amin’ny fihinanana episy, zava-pisotro mamay be… no mahatonga azy io.
-Aretina hafa, toy ny « goitre », Covid-19, « angine herpétique »…
Marihana fa ny areti-tenda tsy mety misinda sady mihamafy tsikelikely dia mety ho fambarana homamiadan’ny tenda, indrindra eo amin’ny olona mpifoka sigara sy mpisotro toaka. Matetika dia eo amin’ny ilan-tenda no tena manaintaina tsikelikely.

Oviana no mila manantona mpitsabo ?

Araka ny voalaza teo ambony dia mila entina mpitsabo ny areti-tenda izay tsy mety misinda anatin’ny andro vitsy. Raha maharitra ny fanaintainana dia mety ho fambaran’aretina mila fitsaboana izy io. Ankoatra izay dia tokony hahamailo ihany koa ny fisian’ny soritr’aretina hafa toy ny fanaintainan’ny sofina, fahasahiranana miaina, fahasahiranana mitelina raha marary tenda.

Lire la suite

Articles Similaires