• Cours de change
  • 5125.25 AR
  • |
  • $4409.42 AR
Copyright Image : © Wikidstravel
Image
Reny&Zaza

Fialantsasatra miaraka amin’ny zazakely : torohevitra hampizotra tsara ny dia

07/07/2025 14:38 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ny ankohonana miomakomana handeha hiala sasatra. Ho an’ireo mitaiza kely moa dia mampitaintaina ihany ny hitondra zazakely handeha lavitra sy any amin’ny faritany. Mba hampizotra tsara ny fialantsasatra miaraka amin’ny zazakely ary dia ireto misy torohevitra tsara arahana amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ny dia !

Safidiana tsara ny toerana handehanana miala sasatra miaraka amin’ny zazakely

Isan’ny zavatra mampiferotr’aina rehefa mandeha mialasa sasatra miaraka amin’ny zazakely ny fotoana laniana eny an-dalana, indrindra raha mandeha fitateram-bahoaka toy ny « taxi-brousse ». Tsara raha toerana tsy lavitra be loatra no safidiana mba tsy ho reraka loatra na ny zaza na ny mitrotro azy. Raha tsy maintsy handia lavitra dia tsara raha mijanona matory indray mandeha na indroa (par étape). Ankoatra izay dia mila safidiana tsara ny trano honenana rehefa any an-toerana. Tsara raha trano afaka handroina sakafo, hazon’andro ary tsy mandomando no hofaina.

Homanina tsara ny entana momba ny zaza

Isan’ny sarotra tokoa ny fanomanana ny entana momba ny zaza rehefa handeha hiala sasatra any amin’ny faritany. Tsy afaka ny hoentina avokoa ny fitaovana rehetra fikarakarana azy ao an-trano. Mba tsy hisy adino dia tsara raha manao lisitra mazava an’ireo zava-dehibe tena ilaina, toy ny « couches », ny solon-dronono, ny « biberons », ny « stérilisateur », ny akanjo mafana sy mangatsitsiaka, bà kiraro, satroka, kiraro (raha efa mandeha ny zaza)… Tsy adinoina ireo fanafody fototra (sérum physiologique, fampidinana hafanana, thermomètre)…

Hajaina tsara ny « rythme » ny zaza

Na dia any amin’ny fialantsasatra àry dia mila tadidiana foana fa mila « routine » sy « repères » ny zazakely. Ezahana tazomina arak’izay azo atao ny fotoana fatoriana atoandro sy ny ora fisakafoanany. Tsy atao tototra loatra ny tontolo andro miaraka amin’ny zazakely, izany hoe tsy entina mandeha tongotra lavitra be na entina mijanona eny amoron-dranomasina mandritra ny tontolo andro. Tsara raha ny tapak’andro no laniana eny ivelany ary ny tapak’andro hakana aina ao an-trano.

Tandremana tsara ny sakafo

Satria mbola marefo tokoa ny taova sy ny hery fiarovan’ny zazakely dia mila tandremana tsara ny sakafony mba tsy hankarary azy. Atomboka amin’ny fanajana ny fahadiovana izany. Atao madio tsara ny tanana mikarakara ny sakafon-jaza, ny akora sy ny fitaovana ampiasaina. Aleo mividy rano amin’ny tavoahangy azo antoka rehefa manao ronono sy sakafon’ny zaza. Ny an’ireo ankizy sy lehibe dia sasana sy atao masaka tsara hatrany ny sakafo. Fadiana na ferana arak’izay azo atao ny misakafo any ivelany, tsara kokoa raha sakafo karakaraina ao an-trano hatrany no hoanina, eny na any amin’ny fialantsasatra àry.

Lire la suite

Articles Similaires