Fanompoambe 2025 - : "Fitampoha" an’Andriamisara Efadahy Manankasina, Sakalavan'i Boeny
Ho tontosaina ny alatsinainy 7 hatramin'ny zoma 11 jolay ny Fanompoambe 2025. Tsy inona izany fa "Fitampoha" , izay fomba nentim-paharazana mampiavaka ny faritra Boeny.
Tsy dia faheno loatra ny hoe "Fanompoambe" rehefa miresaka mikasika ireo karazam-pomba ara-kolontsaina malagasy. Rehefa maheno ny hoe "fomban'ny Sakalava", dia ny Fitampoha hatrany no mby ao an-tsaina. Samy manao io fomba io tokoa mantsy na ny Sakalavan'i Boeny na ny Sakalavan'i Menabe. Amin'ny ankapobeny dia "fikarakarana ireo sisan-taolan'ny Mpanjaka" ny Fitampoha. Tsy voatery ho "fampandroana" ireo sisan-taolana nefa no atao amin'izany.
Inona no atao hoe Fanompoambe ?
Ny "Fanompoambe" dia fomban'ny Sakalavan'i Boeny, tanterahina rehefa Volambita na Alakarabo, izany hoe amin'ny ankapobeny dia ny volana Jolay. Fandrakofana ireo taolan'ny Mpanjaka, izay mandry ao amin'ny "Zomba" hita ao amin'ny Doany Miarinarivo, no atao amin'izany. Raha adika tsotsotra dia "famadihana" no atao, saingy raha ho an'ny eto Imerina dia tsy "avadika" ny Mpanjaka. Ireo Mpanjaka Efa-dahy Manankasina no rakofan-damba amin'izany, dia i Andriamisara, Andriamandisoarivo, Andriamboniarivo sy Andriandahifotsy. Tsara ny mampahatsiahy fa Andriamisara dia efa nihavana tamin'Andrianampoinimerina, mpanjakan'Imerina, ka misy mihitsy ny Doanin'Andriamisara eto Antananarivo, dia ny eny Ankazomalaza Ambohimanga.
Tsara ny manamarika fa manatanteraka ny "fampandroana" ireo taolan'ireo Mpanjaka ihany koa ny Sakalavan'i Boeny, saingy tsy mandritra ny Fanompoambe. Misy ny atao hoe "Fanompoa Valibolamena" rehefa volana oktobra. Amin'io fotoana io no hampandroana ny taolan'ireo Mpanjaka, dia ny vatana manontolo mihitsy. Ao amin'ny Doany Bezavo Marambitsy, ao Mahajanga ihany, no fanaovana io fomba io.
Inona avy ny fanomanana ny Fanompoambe ?
Efa nanomboka tamin'ny 7 aprily lasa teo ny fanomanana ny FANOMPOAMBE 2025. Nisy ny fandiovana ny Doany tao Miarinarivo, antsoina hoe ""Fanompoa Kipa". Tamin'ny volana May indray, nisy ny "Fanompoa Fandrama" izay nikarakarana ny tantely hanasinana an'Andriamisara efa-dahy.
Nisy ihany koa ny "Fanompoa Toamainty" izay nahazoana "tomainty" tamin'ny fiafaran'ny volana jona teo. Tsy inona izany fa ny fandrahoana tantely nampiarahana amin'ny toaka gasy. Notenehina tamin'ny afo tsy tapaka izany fangaro izany ka lasa mainty ny tantely. Amin'izao volana izao, afangaro amin'ny menaka kinana avy any Menabe ny toamainty.
Inona avy no atao mandritra ny Fanompoambe ?
Anasana ny olona rehetra, na Malagasy na vahiny, ny Fanompoambe 2025. Ankoatra ny famonosana lamba ireo Mpanjaka efa-dahy, hisy ny hetsika maro ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena. Ny fampahafantarana ny Kolontsaina Sakalava mantsy no tena tanjona.
Koa satria fomba Malagasy no resaka, tsy maintsy misy ny famonoana omby. Hampiavaka ny Fanompoambe ihany koa ny Antsa Sakalava, ny Kolondoy (hira ara-pivavahana arahina teha-tanana), ny fiantsoana Tromba sy ny Moraingy. Mba ho fampiroboroboana ny ekonomia any an-toerana, hisy ny varotra fampirantiana ireo karazana asa tanana : fitafiana, firavaka, haingon-trano, sns. Mazava ho azy, hisalotra ny fitafy mampiavaka ny faritra Boeny ireo mpandray anjara rehetra, indrindra ireo fianakavian'ny Mpanjaka.
Ny alatsinainy 7 jolay no fanombohana ny lanonana. Rehefa miditra izany vavahady izany moa ireo Sakalava dia toy ny miditra any "am-paradisa" satria toeram-pivavahana sy fangataham-pitahiana ny Doany. Amin'io andro voalohany io dia efa ho tanterahina ny famonoana omby. Ny zoma 11 jolay kosa no famaranana, dia ny fanidiana ny vavahady.
Tsara ny manamarika fa efa tontosa ny 30 jona lasa teo ny fanokafana ny varavaran'ny Lapabe. Midika izany fa efa nahazo alalana tamin'Andriamisara efa-dahy ny fanaovana ny lanonana amin'ny herinandro ho avy io. Ny Mpanjakaben'ny Boeny Dina Guy Priince Herimisy moa no nitarika ny "fanokafana Varavara".