Asaramanitra ieren-doza : zava-dehibe ny fahamalinana ara-tsakafo
Manoloana ireo trangana fahapoizinana ara-tsakafo nahafatesana olona maro tato ato dia ilaina hatrany ny manamafy ny fahamalinana ara-tsakafo, indrindra amin’izao vaninandro fety izao. Mety ho tsy fitandremana na tandrevaka kely dia mety hitera-doza. Mba hankalazana ny asaramanitra lavitry ny loza sy am-pitoniana àry dia andeha ho ampahatsihivina eto ireo fahamalinana ara-tsakafo mila hajaina.
Fahamalinana ara-tsakafo : tandremana tsara ny fahadiovana
Na mikarakara sakafo ao an-tokantrano na mivarotra hani-masaka dia antoka lehibe ny fahasalamana ny fitandrovana ny fahadiovana. Ny loto tokoa mantsy no isan’ny mitondra ny mikraoba, bakteria na viriosy mety miteraka fahapoizinana ara-tsakafo. Atomboka amin’ny fanasana tsara ny tanana amin’ny rano sy savony izany alohan’ny hikarakarana sakafo, rehefa avy mikirakirana hena manta na avy nikitika biby fiompy. Diovina tsara ihany koa ny toerana sy ny fitaovana hikarakarana sakafo rehetra. Tsy adinoina ny manasa ny legioma sy ny voankazo, eny na ireo mbola ho voasana aza.
Sarahana ny sakafo sy ny fitaovana ampiasaina
Isan’ny fahamalinana ara-tsakafo mandritra ny fikarakarana azy ireny ny fampisarahana tsara ireo karazana sakafo, indrindra ny mbola manta sy ny efa masaka, ary ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fikirakirana azy ireny. Fitaovana hafa no ampiasaina hitetehana ny hena manta rehetra sy ny trondro. Fitaovana sy toerana hafa no hikirakirana ireo sakafo efa vonona hoanina na hoe tsy mila andrahoina intsony. Raha tsy manana fitaovana maro dia sasana tsara ireo avy nampiasaina tamin’ny sakafo manta vao ampiasaina amin’ny sakafo vonona hoanina. Toy izay ihany koa ny fitahirizana azy ireny. Atao mifono tsara ny hena manta ary tandremana tsy hahavoa ny sakafo hafa ny ranon’izy ireny rehefa ampirimina anaty vata fampangatsiahana.
Atao masaka tsara ny sakafo mba ho maty ny bakteria
Anisan’ireo sakafo mahatonga fahapoizinana ara-tsakafo matetika indrindra ny hena tsy masaka tsara. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny hena, na ny trondro na ny henan’akoho amam-borona noho izy ireny mitahiry bakteria mankarary. Mba hamonoana ireny bakteria ireny dia mila atao masaka tsara ireo karazan-tsakafo voalaza ireo, n’inon’inona fomba hanamasahana azy, na andrahoina, na endasina, na atono, na atao anaty lafaoro… Toy izay ihany koa rehefa manafana sakafo, mila atao mafana tsara mihintsy, raha ilaina dia averina hampangotrahana.
Ampangatsiahana malaky ary tandremana tsara ny fitahirizana ny sakafo
Raha sendra misy tsy lany ny sakafo masaka na koa hoe mbola tsy hoanina avy hatrany dia mila hampidirina vata fampangatsiahana malaky mba hisorohana ny fiforonana sy ny fitomboan’ny bakteria. Tsy avela hipetraka ivelan’ny vata fampangatsiahana mihoatra ny adiny 2 ora ny sakafo mora simba, indrindra raha mafana ny andro. Tandremana ihany koa ny fe-potoana hitahirizana ny hani-masaka, tsy tokony hihoatra ny 3 andro ao anaty vata fampangatsiahana. Ny « charcuteries » dia tsy azo avela ivelan’ny vata fampangatsiahana mihintsy satria izy ireny no tena mora simba sy hitomboan’ny bakteria. Raha tratry ny fahatapahan-jiro mandritra ny ora maromaro dia tsy tokony hoanina intsony izy ireny satria mety efa nivadika sy lasa manampoizina.
Tandremana tsara ny kalitaon’ny akora ampiasaina
Tsy voatery ny loto sy ny tsy fahamasahana tsara no mahatonga ny fahapoizinanana ara-tsakafo. Mety mankarary ihany koa ny akora lany daty na ratsy kalitao, toy ny menaka sakafo, ny « charcuteries » efa nivadika, ny sakafo anaty boaty (conserves), ny paty… Rehefa miantsena azy ireny dia mila jerena tsara ny daty. Toy izay ihany koa ireo sakafo atahorana efa simba na lo toy ny voankazo sy ny legioma.