• Cours de change
  • 5129.98 AR
  • |
  • $4421.64 AR
Copyright Image : © Recettes Authentiques
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « cheesecake au citron »

24/06/2025 14:27 © Moov.Mg

Tsindrin-tsakafo na hoe « dessert » mampiavaka ny sakafo amerikanina ny « cheesecake ». Efa maro moa ireo toeram-pisakafoanana lehibe ahitana azy eto amintsika. Mazava ho azy fa misy karazany maro samihafa ity mofomamy ity ka ny fanaovana ny « cheesecake au citron » no andeha ho zaraina eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « cheesecake au citron »

Ho an’ny fotony (base)
-Biskoitra 200g (oh : petit-beurre na spéculoos) ;
-Dibera natsonika 80g.
Ho an’ny fameno na « appareil à cheesecake »
-Fromazy malefaka 600g (oh : Philadelphia na mascarpone) ;
-Siramamy 100g ;
-Atody 3 ;
-Hoditra voasary makirana voakiky 1 ;
-Ranona voasary makirana 2 ;
-Lafarina 1 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atomboka amin’ny fanaovana ny fotony. Potserina na potehina anaty « mixeur » ny biskoitra ho lasa vovony. Afangaro amin’ny dibera natsonika. Rehefa mifangaro tsara dia apetraka anaty lasitra (moule 20-22cm). Atao mifatratra tsara amin’ny sotro na amin’ny vera. Atsofoka anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 10 minitra, aveo avoaka ary avela hangatsiaka.
Miditra amin’ny fanaovana ny « appareil ». Kapohana miaraka ny fromazy sy ny siramamy mandra-pahazoana « crème » malama. Mampiasa « batteuse » na « mixeur ». Arotsaka tsirairay ny atody ary afangaro isaky ny avy mandefa atody. Alefa manarak’izay ny hoditra voasary makirana voakiky sy ny ranona voasary makirana ary ny lafarina. Afangaro tsara.
Miditra amin’ny fanamasahana. Araraka eo ambonin’ilay fotony na ilay paty mangatsiaka ilay « crème » natao teo. Andrahoina anaty lafaoro efa mafana amin’ny hafanana 150°C, mandritra ny 40-50 minitra eo ho eo. Avela anaty lafaoro misokatra mandritra ny 30 minitra rehefa vita. Rehefa mangatsiaka dia atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 2 ora farafahakeliny. Tsara raha alina iray manontolo.

Lire la suite

Articles Similaires