« Bruxisme » na hoe mikitro-nify : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Maro ny olona manao « bruxisme » na hoe mikitro-nify. Ity farany moa dia ny fampiadiana nify na fihidiana vazana, matetika tsy fanahy iniana, izay mitranga matetika mandritra ny torimaso amin’ny alina. Mety misy vokadratsy maro moa izy io rehefa ela ny ela raha toa ka tsy voaray an-tanana. Fa inona no antony mahatonga ny olona mikitro-nify ? Inona no fiantraikan’izany ? Inona no vahaolana azo atao ?
Ireo antony mahatonga ny « bruxisme » na mikitro-nify
Voasokajy ho « trouble psychologique » ny « bruxisme » na ny mikitro-nify tsy fanahy iniana. Rehefa matory amin’ny alina moa izy io no tena mitranga, fa mety miseho amin’ny tontolo andro ihany koa. Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray miady nify na mikitro-nify :
-Ny rarintsaina sy ny tebiteby ;
-Ny fikorontanan’ny torimaso, toy ny « apnée du sommeil » ;
-Ny fototarazo ;
-Ny fikorontanan’ny firafitry ny nify ;
-Ny fandraisana zava-mahadomelina, toy ny toaka sy sigara, ny fisotroana kafe ;
-Ny fanafody sasany izay mety mitarika na manasarotra ny « bruxisme ».
Ireo mety ho fiantraikan’ny « bruxisme »
Satria ny « bruxisme » dia ny fikitrohana na ny fiadian’ny nify tsy iniana atao dia mazava ho azy fa mety miteraka vokadratsy izy io. Anisan’izany ny :
-Fahasimban’ny nify ;
-Fanaintainan’ny valanirano (mâchoire) ;
-Aretina andoha ;
-Fikorontanan’ny torimaso.
Inona no vahaolana azo atao ?
Tsy aretina ny « bruxisme » ka tsy dia misy fitsaboana manokana atao. Ny vahaolana azo atao dia ny manamboatra ny fomba fiaina mba hiadiana amin’izany. Anisan’ny atao ary dia ny famerana na ny fifadiana ireo zavatra mety mitarika ny « bruxisme », toy toaka sy sigara, kafe… Ezahana alamina ihany koa ny saina mba hifehezana ny rarintsaina sy ny tebiteby. Ankoatra izay dia tsara ny manantona mpitsabo nify mba hiarovana ny nify tsy ho simba malaky vokatry ny fikitrohana azy. Azo atao ihany koa ny mampiasa « gouttières » izay fitaovana manokana apetraka eo amin’ny nify hiarovana azy tsy hifampikasoka rehefa miady nify.