• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Le Courrier Du Dentiste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Molotra mivonto : inona no mety ho antony mahatonga izany ?

20/06/2025 15:16 © Moov.Mg

Ny fivontosan’ny molotra dia toe-javatra sady manelingelina no mety mampitaintaina. Na mivonto be tampoka na tsikelikely izy ireo dia tsara foana ny mamantatra ny antony mahatonga izany mba hafahana mitsabo izany. ‘Ndeha ho resahana eto ireo antony mety mampivonto ny molotra sy ny tokony atao manoloana izany.

Ahoana ny ahafantarana ny molotra mivonto ?

Atao hoe mivonto ny molotra rehefa misy tsiranoka miangona na misy « inflammation » eo anivon’ny molotra ambony na ambany, na izy roa. Ankoatra ny fivontosana dia mety hahatsapana misy mifandrirotra, manindrotsindrona na manaintaina eo amin’izany. Mety hiova endrika be ihany koa moa ireo molotra mivonto, miankina amin’ny antony mety mahatonga azy.

Ireo antony matetika mampivonto ny molotra

Maro ireo antony mety mampivonto ny molotra.
-« Réactions allergiques ». Isan’ireo antony matetika mahatonga ny fivontosan’ny molotra moa izany. Anisan’ireo zavatra mampihetsika ny « allergies » moa ny sakafo toy ny hazan-dranomasina, ny vokatra avy amin’ny ronono, ny atody, ny sôkôlà… Ao ihany koa ireo vokatra fikarakarana ny endrika sy ny hodi-tava toy ny lokomena, « crème »… Tsy adino ireo karazana fanafody sasany sy ireo « allergènes environnementaux ».
-Ny ratra samihafa toy ny hoe voadoana, voakaikitra ny bibikely, voaratra ny molotra, may ny sakafo na akora simika, voakaikitra tsy nahy, notsindromina « anesthésie », nanala na nanamboatra nify… ;
-Ny otrikaretina sasany toy ny « herpes labial », ny « cellulite » avy amin’ny bakteria, « absès » ao amin’ny nify… ;
-Ny hatsiaka, hafanana na rivotra be loatra manamaina ny molotra sy mampivonto azy.

Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy na sitran’ny fikarakarana natoraly ny fivontosan’ny molotra. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka :
-Mivonto be tampoka ny molotra sady miaraka amin’ny fahasahiranana miaina na fahasemporana, misy mangidihidy na mibontsibontsina ny hoditra, fanina na koa mivonto ny lela sy ny tenda ;
-Tsy misinda anatin’ny 48 ora ny fivontosana ;
-Manavy, mivaramena, misy nana, manaintaina be ;
-Mivonto matetika ny molotra ;
-Misy fanafody eritreretina tsy zaka na olana ara-pahasalamana « grave » mila jerena.

Lire la suite

Articles Similaires