• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Nature Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ravintsara : fiarovana manampy hiatrehana ny rininina !

20/06/2025 13:21 © Moov.Mg

Rehefa vanim-potoana ririnina toy izao dia efa miomana sahady isika amin’ireo karazana aretin’ny taovam-pisefoana isan-karazana mpiseho rehefa mangatsiaka ny andro. Anisan’izany ny sery, gripa, « bronchites »… Mba hiatrehana sy ho fiarovana amin’ireny aretina ireny dia maro amintsika no mampiasa Ravintsara. Fa inona tokoa ary ny vokatsoa azo avy amin’ny Ravintsara, indrindra rehefa ririnina ?

Mampitony ny taovam-pisefoana ny Ravintsara

Araka ny voalaza teo ambony dia ny aretin’ny taovam-pisefoana no tena miparitaka rehefa vanim-potoana ririnina. Ny ravin’ny Ravintsara dia mampitony ny taovam-pisefoana. Manampy amin’ny fanesorana ireo zavatra manentsina ny « bronches », fampitoniana ny kohoka sy ny orona tsentsina. Tanehana mandritra ny segondra vitsy miaraka amin’ny rano 1 litatra ny ravina 3 ary io no sotroina, atao dite.

Mandrisika sy manamafy ny hery fiarovana

Ny fisotroana dite Ravintsara dia fomba iray efa fampiasan’ny Ntaolo handrisihana sy hanamafisana ny hery fiarovana. Ireo singa voajanahary ao anatin’ny ravin’ny Ravintsara dia manampy amin’ny fanomanana ny vatana hiatrika ireo karazana otrikaretina miparitaka mandritra ireo volana maro mangatsiaka mandritra ny ririnina.

Manome fitoniana ara-tsaina

Ankoatra ny aretina mahazo ny vatana dia mety mahatonga havizanana ara-tsaina ihany koa ny vaninandro mangatsiaka. Ny Ravintsara dia mitahiry singa natoraly izay manana fiasa « relaxantes ». Ny fisotroana dite Ravintsara mafana alohan’ny hatory dia manampy amin’ny fanantsara ny torimaso sy amin’ny fampihenana ny rarintsaina.

Ny fomba fampiasana nentim-paharazana ny Ravintsara

Isan’ireo raokandro efa nampiasaintsika Malagasy hatry ny ela ny Ravintsara. Maro ny fomba afaka ampiasana ny ravin’ity zavamaniry ity hiatrehana ny ririnina. Ny ravina efa maina moa amin’ny ankapobeny no ampiasaina. Maro ny fomba azo ampiasana azy io hisitrahana ireo vokatsoa entiny.
Ny tena mahazatra antsika moa dia ny fihevohana azy io. Izany hoe mampangotraka rano nasiana ravina Ravintsara maromaro ary ilay entona no hevohana. Azo atao ihany koa ny mampiasa azy atao « infusion ». Izany hoe tenehana mandritra ny segondra vitsy anaty rano ny ravina ary io no sotroina toy ny dite.

Fanamarihana

Marihana fa tsy mahasolo fanafody na fitsaboana ataon’ny mpitsabo ny fampiasana ny Ravintsara. Manampy amin’ny fiatrehana ireo aretina mpiseho rehefa ririnina fotsiny ihany izy io. Tandremana tsara etsy andaniny ny fatran’ny ravina ampiasaina, indrindra rehefa manao « infusion ». Tsy tenehana ela loatra ihany koa izy io ary tsy sotroina matetika loatra satria mety hamizaka ny voa indray.

Lire la suite

Articles Similaires