CEPE 2025 : Mivoaka ny vokatra ho an'Ambatolampy, Andramasina, Manjakandriana
Miandry fatratra ny fivoahan’ny valin’ny CEPE ny ankizy sy ny Ray aman-dreny amin’izao fotoana izao. Amin'ity zoma 20 jona ity, efa manomboka mamoaka vokatra ireo CISCO ivelan'Antananarivo
Fampidirana naoty anaty solosaina
Efa nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo ny fitsarana ireo tsaratasim-panadinana rehetra, manerana ny Nosy. Raha tsiahivina dia ny isaky ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) no nikarakara ny fanadinana rehetra, nanomboka hatramin’ny famolavolana ny laza adina. Izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra hatramin’ny fivoahan’ny valiny. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpitsara dia efa samy vita avokoa ny fitsarana rehetra ary miditra amin’ny fampidirana ny naoty isan-karazany ao anatin’ny solosaina (trasncription) amin’izao fotoana izao ny asa atao. Ao anatin’izany ny ao amin’ny CISCO Betafo. Aorian’izany dia hivoaka avy hatrany ny valim-panadinana izay efa andrasan’ny maro.
Tsiahivina fa tao anaty filaminana tanteraka no nanatanterahana ny fanadinana CEPE manerany ny Nosy tamin’iny talata 17 jona iny.
Antananarivo Renivohitra : amin’ny herinandro ambony
Etsy andaniny, samy hanana ny fotoana hamoahany ny valim-panadinany ny andaniny ny CISCO tsirairay. Mazava ho azy ,ireo manana mpiadina vitsy no fa hivoaka aloha. Araka izany, dia amin’ny fiandohan'ny herinandro ambony no mety hivoaka ny an’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Raha tsiahivina dia izy ireo no manana mpiadina betsaka indrindra, manerana ny Nosy sy eto Analamanga, hoy ny Chef CISCO, Ramananantony Lalaina.
Etsy andaniny dia misy ihany koa ireo any amin’ny faritra no nanambara fa tsy hihoatra ny andron’ny fetim-pirenena 26 jona, ny fivoahan’izany valim-panadinana izany, toy ny ao amin’ny DREN Sofia.
Raha tsiahivina dia miisa 571 367 ireo mpiadina niatrika iny fanadinana iny, manerana an’i Madagasikara.