Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Tobim-pamokarana an’ny fonja miisa 9 hatsaraina
Notanterahina omaly ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo. Izany dia hiompana amin’ny fanatsarana ny sakafo ho an’ireo voafonja.
Hatomboka amin’ny toerana 9
Isan’ny fanamby lehibe atrehin’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra eny amin’ny fonja. Amin’ny alalan’ity fifanarahana ity dia nifanaiky ireo Ministera roa tonta ny hifampizara traikefa, ary hifanohana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo voafonja amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana ara-tsakafo sy ny fanajariana ireo tany azo ambolena ao amin’ny Fonja.
Araka izany dia tobim-pamokarana sivy (9) no hanombohana ny tetikasa, izay miparitaka amin’ny fitaleavam-paritry ny fandraharahana miisa fito (7). Ao anatin’izany ny eny Anosiala sy Tsiafahy ho an’ny faritra Analamanga, Andilanomby ho an’ny Alaotra-Mangoro, Mahandraza ho an’ny Vakinankaratra, Analambaza ho an’ny Ihorombe. Ny ao Ihadilanana sy Ambatofinandrahana ho an’ny Amoron’i Mania, Andranobevava ho an’ny Betsiboka, ary Tsivelezambingy Andapa ho an’ny faritra Sava.
Hampitomboina ny vokatra
Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara, indrindra eny anivon’ny Fonja, ity fifanarahana ity. Tanjona amin’izany ny fanajariana sy fampiroboroboana ireo tobim-pamokarana an’ny fonja, izay hita fa manana velaran-tany sy loharanon-karena azo ampiasaina amin’ny fomba mahomby sy maharitra. Ho volena amin’ireo toerana ireo ny karazam-boly samihafa toy ny vary, katsaka, mangahazo, tsaramaso ary voanjo. Natao hifanaraka amin’ny toetrandro sy ny toe-tany eny amin’ireo toerana voakasika.
Ankoatra izay moa dia hanomana ireo voafonja hahay hiasa sy hiatrika fiainana amin’ny fomba mendrika, rehefa mivoaka ny fonja ny fiaraha-miasa.