• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Réserve naturelle Nahampoana - Taolanaro : 'Ndao hamantatra ireo biby sy zava-maniry arovana !

12/06/2025 07:23 © Moov

Anisan'ireo toeram-pizahantany sy toeram-pitsangatsanganana tena manintona ao Taolanaro (Fort-Dauphin) ny Réserve naturelle Nahampoana. Ala voaaro iveloman'ny biby ahiana ho lany tamingana io toerana io. Hita ao an-toerana ihany koa ireo karazan-java-maniry miavaka.

Diso tanteraka ny fiheverana fa tany foana sy maina tanteraka ny any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Na eo tokoa aza ny haintany sy ny fahasimban'ny tontolo iainana, mbola maro ireo ala arovana mitahiry harena voajanahary mampiavaka an'i Madagasikara. Ho an'ireo mikasa hitsidika ny faritra Anôsy, mahaliana tokoa ny Réserve naturelle Nahampoana, 7 kilometatra miala ny renivohitr'i Taolanaro (Fort-Dauphin)

Tantara fohy

Tamin'ny taona 1 888 no natsangana ny Réserve naturelle Nahampoana, teo ambany fiadidian'ny Frantsay. Ilay relijiozy teratany frantsay sy anglisy, avy any Maorisy, antsoina hoe Marchal Auguste no tompon-kevitra tamin'izany. Efa marobe tsy tambo isaina ny hazo sy voninkazo tao, saingy nampiana karazan-java-maniry mitondra Hanitra, dia ny lavanila, ny jirofo ary ny cannelle.
135 taona mahery aty aoriana, saika mbola voatahiry ary mitombo karazana aza ireo zava-maniry hita ao : vanille, palmier, araucaria, orchidées, sns. Tsy adino ireo karazam-boankazo maniry any amin'ny tany mafana.

Toerana natao ho an'ireo tia natiora

50 hektara be izao ny velaran'ny Réserve naturelle Nahampoana. Mila miomana amin'ny dia an-tongotra izany ireo mpitsidika te hijery ireo biby sy zava-maniry isan-karazany.
Anisan'ny tena mampiavaka ity toerana ity ny fisian'ny gidro isan-karazany maherin'ny 120. Tsy misy fahanana sakafo izy ireo fa mihinana ravin-kazo avokoa. Ny Lémur catta (mainty sy fotsy mielanelana ny rambony) sy ny Maki Blanc ohatra dia mihinana ravin-kazo maitso (tsy mifidy karazan-kazo), sady tia ny hodi-kazo sy ny voany ihany koa. Misy kosa ny Hapalemur na fantatra amin'ny anarana tsotra hoe "Maki bambou", miloko volon-tsokolà, izay tsy mihinana afa-tsy ravim-bararata. Tsara ny manamarika fa ivelomana "Lémuriens noctures", izany hoe gidrokely tsy mivoaka raha tsy amin'ny alina, ny ao amin'ny Réserve naturelle Nahampoana.
Tsy ny karazan-gidro ihany no hita ao. Maro ireo biby hafa azo jeren'ny rehetra, toy ny sokatra sy ny tarondro (caméléon) ary ny bibilava. Tsara nefa ny manamarika fa misitrika ny bibilava sy ny tarondro, izay samy "réptiles", rehefa vanim-potoana mangatsiaka ka somary sarotsarotra ny mitady azy ireo ao anaty ala. Mazava ho azy, misy karazam-boronkely ao amin'ny Réserve naturelle Nahampona. Misy ihany koa ny Vintsy, miloko volom-boasary na manga, eny amoron-drano.

Toerana natao hakana aina

Feon-gidro sy hiram-boronkely no hany re ao amin'ny Réserve naturelle Nahampona. Tsy vitan'ny mahita biby arovana isan-karazany ireo mpitsidika fa sady manararoatra maka aina ihany koa. Maitso mavana ny toerana ka azo atao tsara ny mipetrapetraka, mankafy ny natiora, miala ny tabataban'ny fiainana an-drenivohitra sady maka hery vaovao. Ho an'ny olona "stressé" na manana olana isankarazany, na ara-pahasalamana na amin'ny fiainana andavan'andro, mampilamin-tsaina tanteraka ny fitsangatsanganana. Rehefa avy mahita ireo biby anaty ala mikitroka, mitaingina lakana ny mpitsidika, manaraka rano mandeha madio mangatsakatsaka, mijery ireo sahona sy karazam-borona tia rano.
Voaravaka aok'izany ny toerana : vao miditra ny vavahady dia namboarina hanana endrika "arc" ny bararata amin'ny sisiny roa. Toy ny hamonjy lanonana amina toerana maitso ankalamanjana ireo mpitsidika. Rehefa misy voankazo vokatra, toy ny "fruit du dragon", dia azo atao tsara ny mihinana izany maimaimpoana.

Lire la suite

Articles Similaires