Filatsahana an-tsitrapo : Tanora Malagasy 17 avy any ivelany hitondra ny anjara birikiny eto Madagasikara
Tonga teny Ivato ny faran’ny herinandro teo ireo tanora miisa 17, hilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara indray. Hidina an-tsehatra amin’ny faritra samihafa mandritra ny efa-bolana izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora (TADY) sy Loharano II izy io izay manana tanjona ny hitondra fampandrosoana ho an’ny eny ifotony.
Avy amina firenena samihafa
Tanora lehilahy sy vehivavy avy any Frantsa, Etazonia, Sénégal ary Djibouti ireto tanora ireto. Izy ireo indray araka izany no mandrafitra ny andiany 2025 amin’ny fandaharan’asa Loharano II ity. Raha tsiahivina dia efa maro ireo tanora tonga nitondra ny anjara birikiny ho an’i Madagasikara teo aloha. Ireo andiany 2025 ireto moa dia hisy ny hidina any amin’ny toerana alavitra, toa an’i Miantirano sy Taolagnaro. « Efa vonona ary Malagasy mitovy amin’ny tena ihany ireny na alavitra aza ka tsy tokony hisy olana ny fifandraisana », hoy izy ireo.
Nohamafisin’i Roger Charles Evina, lehiben’ny IOM ho an’i Madagasikara sy Kaomoro, fa "Tetezana mampitohy an’i Madagasikara sy izao tontolo izao ireo tanora ireo. Mitondra fomba fijery iraisam-pirenena izy ireo sady mifandray indray amin’ny fototra maha-Malagasy azy, ka hiteraka fampandrosoana any amin’ny toerana halehany tsirairay ».
Hiasa amina sehatra maro
Hampandroso ny toerana izay halehany amin’ny alalan’ny sehatra maro samihafa, izay efa samy nofidiany izy ireo. Anisan'izany ny fanohanana ny fanabeazana, ny fandaharan'asa momba ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ny fandraharahana ary ny fampandrosoana maharitra. Manam-piniavana izy ireo, ao anatin’izany ny handray anjara feno amin'ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Nanambra izy ireo fa « manana fahaizana ny Malagasy saingy tsy ampy teknika sy tohana. Manana izay fahafahana manampy azy ireo izay izahay ka omenay tsy handoavam-bola izany », hoy ny solontenan’izy ireo.
Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa TADY, izay ampahany amin’ny fampandraisana andraikitra ny Diaspora Malagasy (LPNED) ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny hampandrosoana ny firenena, ka amin’ny alalan’ity fandaharan’asa ity no hitrandrahan’ny fitondram-panjakana Malagasy ny fahafahan’ireo ampielezana mba hanamafy ny ezaka fampandrosoana nasionaly.