• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Mpitandro ny filaminana : Manamafy ny fahaizana teny anglisy, ho an’ny serasera iraisam-pirenena

11/06/2025 10:22 © Moov.Mg

Nanomboka omaly ary mitohy hatramin’ny androany 11 jona 2025, eto Antananarivo, ny fiofanana ho fanatsarana ny fomba fampianarana teny anglisy, any amin’ny Sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena (ENSP) eny Ivato, sy ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN), any Moramanga. Mamatsy vola ity atrikasa fiofanana ity ny Departemantam-panjakana Amerikanina.

Teknika fampianarana mahomby

« Resy lahatra izahay fa ny fifehezana ny teny anglisy dia fanoitra amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mahomby sy mivelatra kokoa, na ho an’ireo mpitandro ny filaminana na ho an’ireo vondrom-piarahamonina izay iandraiketany », hoy ny avy eo anivon’ny Masoivoho amerikanina eto Madagasikara. Izany no antony anohanany ity tetikasa fanatsarana ny fampianarana teny anglisy ho an’ireo mpitandro ny filaminana ity. Sady fifanakalozana moa izy ity, no fanofanana momba ny fandaharam-pianarana vaovao ihany koa, izay novolavolain’ny English Language Teachers' Association of Madagascar (ELTA). Tanjon’ny Departemantam-panjakana Amerikanina ny fampiroboroboana ny fampianarana teny anglisy ho an’ny mpitandro ny filaminana, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo teknika fampianarana ny teny anglisy mahomby kokoa.

Serasera eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Fandaharam-pianarana maoderina no zaraina amin’ireo mpampiofana miisa valo avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena, araka ny fanazavana avy amin’ny Masoivohon’i Etazonia eto amintsika. Araka izany, ity fampiofanana ity dia hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra, amin’ny alalan’ny fampiasana fandaharam-pianarana avo lenta. Izany dia hanatsara ny fomba fifandraisana sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mahomby sy mivelatra kokoa, ho an’ireo mpitandro filaminana. Ho hampiasaina amin’ny fampiofanana ireo andiana manam-boninahitra zandary sy polisy ho avy, ny fahaiza-manao rantovin’ireto mpampiofana ireto. Tanjona lavitr’ezak’ity fandaharanasa ity ny hametrahana vondrona Mpitandro ny Filaminana malagasy matanjaka kokoa ary afaka mifandray kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’izay fotoana izay, ireo mpitandro ny filaminana malagasy dia hahafehy ny teny anglisy ilaina rehefa hifanerasera eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires