Lalan’ny Tily eto Madagasikara : Notokanana ny 3,5 km mampitohy an’Ambatofotsy amin’ny Tranombitsika
“Lalan’ny Tily eto Madagasikara” manomboka izao no iantsoana ny ampahan-dalana mirefy 3,5 km mampitohy an’Ambatofotsy Avaradrano amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza. Ny sabotsy 7 jona 2025 lasa teo no nanatanterahana ny fitokanana izany lalana izany.
Lalana mihazo ny Tranombitsika
Nanatrika ity fanokanana ôfisialy ny “Lalan’ny Tily eto Madagasikara”, eny amin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano ity, ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Sabotsy Namehana, Randrianarivelo Njakanavalona. Teny an-toerana ihany koa ny filohan’ny kômity mpitantana ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara, Rasamoelina Herifidy, ary ny Filoha Foiben'ny Tily eto Madagasikara, Rakotoarimanana Tamby.
« Carnaval », namakivaky ity lalana mirefy 3,5 km ity, izay niainga teny Ambatofotsy Avaradrano nihazo ny Tranombitsika, ary nandraisan’ireo solontenan’ny skoto avy amin’ny Faritra maro anjara, no isan’ny nanamarihana ity fitokanana ity. Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ireo tanora mba hanana saina mahay mandinika, hahay hifanome tanana ary hanana faharetana. Ireo fomba fiaina ireo moa dia lesona nosintonina tamin’ny fomba fiainan’ny vitsika, izay bibikely tsara alain-tahaka.
Tsangambaton’ny faha-100 taona
Teny amin’ny Tranombitsika kosa dia nampahafantarina ireo mpanotrona ny tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny Tily eto Madagasikara, izay manamarika ny 100 taona nanatanterahan’ny Tily ny asa fanabeazana ireo zatovolahy malagasy, tao anatin’ny soatoavina maha-skoto sy maha-kristianina.
Ny Tranombitsika moa dia tanànan’ireo Skoto, nalaina tahaka tamin’ny “Gilwell Park”, izay naorin’i Baden Powell, mpamorona ny skotisma. Ahitana fotodrafitrasa roa eo an-toerana, dia ny “Ant Space”, izay ahafahana mandray hetsika sy fihaonana isan-karazany ; ary ny Ivontoerana Fanofanana Tily eto Madagasikara (IFTEM), izay miompana amin’ny fanofanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny skoto. Araka izany, zava-dehibe ho an’ireo Tily eto Madagasikara ny Tranombitsika, izay iafaran’ilay lalana vao notokanana, satria sady toerana anehoan’izy ireo ny firaisam-pony no sehatra ifampitana ireo soatoavina manan-danja ihany koa.