• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fiarovana ny ranomasina : Mandray anjara amin'ny UNOC 3 any Nice i Madagasikara

09/06/2025 20:26 © Moov

Tontosaina ao Nice, France, ny Fihaonambe faha-3 an’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina (UNOC 3), ny 9 hatramin'ny 13 jona.

Misokatra androany 09 Jona 2025 ny Fihaonambe faha-3 an’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina (UNOC 3), hetsika manan-danja ho an’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ranomasina manerantany. Mandray anjara amin'izany i Madagasikara, amin'ny maha-nosy azy, miankina betsaka amin'ny harena an-dranomasina.

Toekarena manga, sarobidy amin'i Madagasikara

Mahatratra 5 603 Km ny morontsiraka manodidina an'i Madagasikara. Tsy tambo isaina ireo harena an-dranomasina, izay mamelona fianakaviana an-tapitrisany. Noho izany, zava-dehibe ny fiarovana ireo harena an-dranomasina sy ny fanamafisana ny toekarena manga, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny taranaka ho avy. Na dia efa misongadina tokoa aza ny ezaka ataon'ireo tompon'andraikitra isan-tokony, mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ireo mpanjono, na ireo mpanjono madinika na ireo mampiasa sambo lehibe sy fitaovana maoderina. Manampy trotraka rahateo ny fitombon'ny fandotoana ny ranomasina, izay mampihena ireo biby mivelona ao. Mbola olana ihany koa ny fitrandrahana tafahoatra ny ranomasina.

Fanamafisana ny ady amin'ny fanimbana ny ranomasina

Ifanakalozan-kevitra sy itadiavam-bahaolana mandritra ny 5 andro izay rehetra endrika fanimbanana ny ranomasina. Efa nandray anjara tamin'ireo adihevitra ary nitarika ireo adisisika ho an'ny tombontsoan'ny firenena malagasy moa ny filoha malagasy tamin'izao fanombohana izao. Tsy adino ny fampahafantarana ny ezaka efa ataon'ny Fitondram-panjakana malagasy amin'ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fiahiana ny tontolo iainana toy ny fanaovana sonia ny fifanarahana "Marine Biodiversity of Areas Beyond National Jurisdiction".
Mitarika ny delegasiona Malagasy ny filohampirenena Andry Rajoelina. Any an-toerana ihany koa ny Minisitra misahana ny Jono sy Toekarena Manga, Mahatante Paubert sy ny Ministry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy, Max Fontaine Andonirina .

Lire la suite

Articles Similaires