• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © The Conversation
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tanana sy tongotra mangatsiaka lava : ireo tsara fantatra mikasik’izany

10/06/2025 11:01 © Moov.Mg

Ny fiovan’ny loko sy ny hafanan’ny rantsam-batana dia avy amin’ny fiovaovan’ny fikorian’ireo lalandrà kely atao hoe « capillaires » izay eo anivon’ny rantsan-tanana sy ny rantsan-tongotra. Mety ho « réaction » handrindran’ny vatana ny hafanana avy any ivelany fotsiny izy io nefa koa mety ho fambaran’aretina ihany koa. Andeha ary ho resahana ireo tsara fantatra mikasika ny tanana sy tongotra mangatsiaka lava.

Inona no antony mahatonga ny tanana sy ny tongotra mangatsiaka lava ?

Ny rantsam-batana no maheno voalohany ny hatsiaka satria ny vatana dia mandefa ny rà mankany amin’ireo taova lehibe aloha mba hitazomana ny hafanana eo anivon’izy ireny. Raha toa kosa nefa mangatsiaka lava ny tanana sy ny tongotra dia mety hisy anton-javatra manokana mahatonga izany, toy ny :
-Tsy fikorian’ny rà ara-dalàna
Isan’ny antony matetika mitranga moa izany. Rehefa tsy ampy ny rà tonga eny amin’ny tanana sy ny tongotra dia lasa mihena ny hafanana eo amin’izy ireo. Anisan’ny mety mahatonga izany moa ny tsy fahampian’ny fanetseham-batana, ny fifohana sigara, ny rarintsaina sy ny tebiteby…
-Hafanan’ny vatana izay ambany
Mety ho mahatonga ny tanana sy ny tongotra ho mangatsiaka lava ihany koa ny fananana hafanan’ny vatana ho ambany. Ity farany moa dia mety ho avy amin’ny tsy fahampiana lanja (mahia) ka kely kokoa ny tavy miaro ny vatana amin’ny hatsiaka. Mety ho vokatry ny famokaran’ny vatana hafanana kely kokoa ihany koa izany.
-Tsy fahatomombanana ara-pahasalamana
Eo amin’ireo tranga sasany dia mety ho fambara tsy fahatomombanana ara-pahasalamana ihany koa ny tanana sy tongotra mangatsiaka lava. Isan’izany ny « hypothyroïdie », « anémie » na tsy fahampiana rà, diabeta, « maladies artérielles périphériques » izay mampihena ny tosiky ny rà mankany amin’ny rantsana, indrindra ny eo amin’ny ranjo sy ny tongotra, tsy fahampiana otrikaina sasany…

Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Mila manantona mpitsabo ny olona manana tanana sy tongotra mangatsiaka lava raha toa ka misy fambara hafa miseho miaraka amin’izany, toy ny hoe :
-Miova loko lasa manga na fotsy ny hoditra ;
-Manaintaina, volivoly na manindrontsindrona ny tanana sy ny tongotra ;
-Mihintsana ny volo amin’ny ranjo sy ny tongotra ;
-Misy ratra tsy mety sitrana ;
-Rera-dava sy mihena ho azy ny vatana.

Vahaolana sy torohevitra manampy hanafanana ireo rantsana

Amin’ny ankapobeny dia azo hafanaina amin’ny alalan’ny fomba tsotra ny tanana sy ny tongotra mangatsiaka lava. Anisan’ireo tsara atao rehefa mangatsiaka ny andro ny :
-Fanatsarana ny fikorian’ny rà amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena matetika, fampihetsiketseham-batana, fandehanana tongotra tsy mikiraro, fanorana moramora ny tanana sy ny tongotra ;
-Fitazomana ny hafanan’ny vatana amin’ny fanaovana akanjo mafana, bà kiraro, « gants »… ;
-Fisotroana zava-pisotro ;
-Fandroana amin’ny rano mafana ;
-Fialana sigara ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires