• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Aujourd'Hui Le Maroc
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin'ny voa : 'Ndao fantarina ny mikasika ny Dialyse

09/06/2025 16:27 © Moov

Tsy maintsy miroso amin'ny Dialyse ny marary iray rehefa tsy azo tsaboina intsony ny aretin'ny voa. Tsy manasitrana ny voa akory ny Dialyse fa fepetra raisina mba hitandrovana ny ain'ilay marary.

Ny voa no miantoka ny fanadiovana ny rà. Manala ny loto rehetra mba hivoaka ny vatan'olombelona amin'ny alalan'ny pipi izy. Mandray anjara amin'ny famokarana sela mena (globule rouge) sy mandanjalanja ny fatran'ny rano ao amin'ny vatana ihany koa ny voa. Rehefa tsy miasa izany ny voa, noho ny fahapotehana ateraky ny aretina, mety ho faty vetivety ilay marary. Hisorohana ny fahafatesana indrindra no anaovana ny "Dialyse", izay tsy maintsy atao mandra-pahafaty raha tsy mahazo voa vaovao ilay marary.

Fanadiovana ny rà amin'ny fitaovana artifisialy

Ny fitaovana artifisialy no misolo ny asan'ny voa, amin'ny alalan'ny dialyse. Trohana izany rà amin'ny vatana, ka diovina, izay vao averina avy eo : misy tioba roa miasa. Maharitra adiny 4 izany "fitsaboana" izany, ary tsy maintsy atao in-telo isan-kerinandro. Volabe tokoa no lany amin'izany, izay mihoatra ny 300 000 ariary isaky ny Dialyse, sady mbola ilaharana ny fitaovana. Mila manana iray tapitrisa ariary isan-kerinandro eo ho eo izany ilay marary farafahakeliny.
Mila hery tokoa ny fanaovana dialyse, ka tsy vitsy ireo marary vetivety dia reraka. Etsy ankilany nefa, matetika dia malain-komana ny marary. Marobe ihany koa ireo sakafo tsy maintsy fadiana. Amin'ny ankapobeny, eo ho eo amin'ny 5 hatramin'ny 10 taona ny fanantenam-pahavelomana (espérance de vie) ho an'ny marary iray miatrika dialyse. Ny fotoana hanombohana ny dialyse no hiangan'ny fanisana amin'izany.

Fikojana ny voa

Tsy misy fitsaboana azo atao intsony rehefa potika sy tsy miasa intsony ny voa. Araka ny efa voalaza etsy ambony, tsy maintsy tanterahina an-tsakany sy an-davany ny dialyse raha mbola te ho velona. Azo atao ihany koa nefa ny miroso amin'ny "transplantation", raha manana ny enti-manana laniana amin'izany. Hatreto aloha, mila mivoaka ivelan'i Madagasikara raha te hisitraka fanoloana ny voa.
Mba hisorohana izany indrindra, tena ilaina ny fitandremana amin'ny sakafo hanina sy ny zava-pisotro sotroina. Amin'ny ankapobeny mantsy, ny alikaola sy ny vokatra simika tafahoatra no mamotika ny voa. Amporisihana araka izany ny fihinanana sakafo sy fisotroana zava-pisotro ara-pahasalamana. Tsara raha voankazo, legioma sy vokatra tsy misy akora simika no atao loha-laharana isan'andro. Mahatsara ny voa ohatra ny concombre, karoty, paoma, paiso, sns. Tsy azo adinoina ihany koa ny fisotroana rano, dia rano tsotra fa tsy ranom-boankazo indostrialy na dite/ kafe misy siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires