Matory be loatra : mety misy vokadratsy ho an’ny fahasalamana ve ?
Resahana ombieny ombieny ireo vokadratsin’ny tsy fahampiana torimaso eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Inona kosa ary ny mety mitranga raha matory be loatra indray ? Maro ireo vokam-pikarohana manambara fa tsy midika ho torimaso tsara kalitao ny fatoriana be loatra. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana toy ireto manaraka ireto àry izany.
Olana eo amin’ny fahasalaman’ny vatana
Maro ireo mety ho vokadratsin’ny fatoriana be loatra, na « hypersomnie », eo amin’ny vatana, ka anisan’izany ny :
-Fitomboan’ny « risques » hahazoana aretin’ny fo sy ny lalandrà, fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny loha, fiakaran’ny tosidrà… ;
-Diabeta sokajy 2 satria mety manakorontana ny « métabolisme » ny fatoriana be loatra ;
-Hatavezana diso tafahoatra (obésité) noho ny fihenan’ny fampihetsiketseham-batana sy ny fikorontanan’ny hormonina izay mandrindra ny fahazotoan-komana ;
-Fararian’ny lamosina. Rehefa matory maharitra loatra dia mety tsy mivadi-mandry matetika ka lasa mitarika na mampihombo ny fanaintainan’ny lamosina ;
-Aretin’andoha. Mety mankarary an-doha ny fatoriana ela be loatra eo amin’ny olona sasany.
Fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny saina
Mety misy fiantraikany eo amin’ny atidoha ihany koa ny fatoriana be loatra :
-Fampihomboana ny soritr’aretin’ny fahaketrahana ;
-Tebiteby ;
-Fahasahiranana mifantoka sy mitadidy ;
-Fahatsapana reradreraka sy toy ny kely hery.
Ahoana no atao raha mahatsiaro matory be loatra ?
Raha mahatsapa tena fa lasa diso matory be loatra mihoatra ny ara-dalàna dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Ny fatoriana be loatra dia mety ho fambarana olana ara-pahasalamana, toy ny « apnée du sommeil », fahaketrahana na koa aretina hafa.
Etsy andaniny dia misy ireo torohevitra manampy hanatsarana ny torimaso, toy ny :
-Fametrahana ora raikitra hatoriana sy hifohazana, eny na rehefa andro tsy fiasana na fianarana aza ;
-Fanatsarana ny toerana fatoriana, izany hoe atao maizina, mangina sy mangatsitsiaka ny efitra atoriana ;
-Ferana tsy atao mihoatra ny 20-30 minitra ny fatoriana atoandro (siestes) ;
-Fadiana ny misotro toaka na kafe rehefa alohan’ny hatory ;
-Fanaovana fanatanjahantena matetika.