Fitandrovana ny fahasalaman’ny zaza mandritra ny vaninandro ririnina
Efa tafiditra anatin’ny vaninandro ririnina isika izao. Maro ireo karazana viriosy miparitaka amin’izao toetr’andro mangatsiaka izao ka ny zazakely no isan’ny tena lasibatr’izy ireny. Mbola marefo na tsy hary tsara tokoa mantsy ny hery fiarovan’ny zaza ka mora andairan’ny otrikaretina. Ahoana ary ny fomba atao hitandrovana ny fahasalaman’ny zaza mandritra ny ririnina ?
Hampitomboina ny hery fiarovan’ny zaza hiatrehany ny ririnina
Miforona sy mihamafy tsikelikely ny hery fiarovan’ny zaza, indrindra mandritra ny telo taona voalohany. Mila hiantohana fombam-piaina ara-pahasalamana izy mba hampitomboana ny hery fiarovany. Anisan’ny atao amin’izany ary ny :
-Fanomezana azy torimaso ampy sy tsara kalitao. Ny fahampiana torimaso amin’ny alina dia tena ilaina hampitomboana sy hanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza ;
-Fanomezana azy sakafo ara-pahasalamana. Vao manomboka afaka misakafo ny zazakely dia omena sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana izy. Sakafo manankarena otrikaina ary miovaova no tsara indrindra. Tsy adinoina ny mampisotro rano tsara azy mandritra ny tontolo andro ;
-Famelana azy hampihetsiketsika ny vatany. Vantany vao afaka milalao sy mandady amin’ny tany ny zaza dia avela manao izany matetika izy, sady araha-maso hatrany. Ny fampihetsehany ny vatany dia manampy amin’ny fandevonan-kanina sady mampitombo ny hery fiarovany.
Ireo torohevitra manampy hiarovana ny fahasalaman’ny zaza
Maro ireo fihetsika sy fikarakarana ny zaza tsara ampiharina mba hitandrovana ny fahasalamany, indrindra rehefa vaninandro ririnina toy izao :
-Manasa tanana tsara mialoha sy aorian’ny fikarakarana ny zaza. Izany dia mba hampihena ny « risques » hamindrana viriosy aminy. Asaina manao izay ihany koa ireo olona mifanerasera amin’ny zaza ao an-trano alohan’ny handraisana azy ;
-Sasana matetika ny kilalaon’ny zaza ;
-Fadiana ny mifampindrana fitaovam-pisakafoanana eo amin’ny zaza. Rehefa mamahana na manao ny sakafony dia tsy ny sotro hinanany no hanandramana kely ny sakafo fa sotro hafa ary tsy averina anatin’ilay sakafo intsony izy io rehefa avy nampiasaina ;
-Raha manavy na mikohoka na voan’ny sery dia manao aro-vava rehefa mikarakara ny zaza ;
-Avela hisy rivotra hiditra hatrany ao amin’ny hefitra fatoriana sy an-trano ;
-Fadiana ny mitondra ny zaza amin’ny toerana ahiana mety hisy viriosy, toy ny toerana be olona, fifateram-bahoaka, indrindra mandritra ny « heures de pointe ».
-Arovana amin’ny « tabagisme passif » ny zaza, izany hoe amin’ny setro-tsigara, satria mety manimba ny taovam-pisefoany izany.