• Cours de change
  • 5138.69 AR
  • |
  • $4502.07 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Hyperphagie boulimique » : ireo tsara fantatra mikasik’izany

02/06/2025 14:15 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny faha 2 ny volana jona ny andro maneran-tany mikasika ny olana ara-pitondran-tena ara-tsakafo na ny « troubles des conduites alimentaires » (TCA). Misy karazany maro moa ireo « troubles » ireo ka ny momba ny « hyperphagie boulimique » no ‘ndeha ho fantarina bebe kokoa eto.

Inona no atao hoe « hyperphagie boulimique » ?

Ny « hyperphagie boulimique » dia olana ara-pitondran-tena ara-tsakafo izay miseho amin’ny fisakafoanana be tsy voafehy. Tsy maharitra ela izy io, matetika latsaky ny adiny roa ora. Mandritra io fotoana io ilay olona voakasik’izany dia mihinana sakafo be loatra mihoatra ny ara-dalàna. Rehefa vita izany dia tsy manao zavatra ho fanonerana toy ny hoe misikotra tenda mba handoa, mihinana fanafody mampivalana na hoe manao fanatanjahan-tena mafy. Io tsy fanaovana zavatra fanonerana io moa no mampiavaka ny « hyperphagie boulimique » amin’ny « boulimie ».

Inona avy ireo famantarana ny « hyperphagie boulimique » ?

Maro ireo fambara ahafana mamantatra ny « hyperphagie boulimique ». Anisan’izany ny :
-Fihinanana sakafo betsaka sy hangaina be tsy ara-dalàna ;
-Tsy fahavitana mifehy tena mijanona misakafo ka lasa tonga amin’ny fahavokisana be tsy mahazo aina mihintsy ;
-Fanenenana, fahamenarana sy fanameloan-tena rehefa avy misakafo ;
-Fihinanana sakafo be na dia tsy mahatsiaro noana aza ;
-Tsy manao fihetsika fanonerana toy ny hoe mandoa, mihinana sakafo mampivalana…

Inona avy ireo antony mety mahatonga azy io ?

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona iray hanao « hyperphagie boulimique » :
-Fototarazo sy toe-batana. Izany hoe ambony kokoa ny « risques » eo amin’ny olona iray izay efa misy tratra ny fianakaviana teo aloha. Misy ihany koa ireo vokam-pikarohana mampiseho fa mety mahatonga ity olana ara-pitondran-tena ara-tsakafo ity ihany koa ny toe-batana (différences hormonales et neurobiologiques) ;
-Fahalemena ara-tsaina sy fihetsehampo, toy ireo olona tratry ny fahaketrahana, misy rarin-tsaina lava, « bipolaire », tsy manana fahatokisan-tena… ;
-Fanarahana « régime restrictif » hampihenana vatana.

Inona no vokadratsy mety ho ateran’ny « hyperphagie boulimique » ?

Mety miteraka vokadratsy maro eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny « hyperphagie boulimique » raha tsy mahazo fitsaboana ara-dalàna ilay marary :
-Fitomboana lanja tsy voafehy ka hitarika « obésité » ;
-Olana ara-pahasalamana toy ny diabeta, aretin’ny fo sy ny lalandrà… ;
-Fahaverezan’ny fahatokisan-tena ;
-Fitokana-monina vokatry ny henatra sy ny fanameloan-tena.

Ahoana ny fitsaboana azy ?

Mila fandraisana an-tanana avy amin’ny mpitsabo ny « hyperphagie boulimique ». Anisan’ireo fitsaboana atao ny « psychothérapie » mba hanampiana ilay marary amin’ny fanovana ny fomba fisainana sy ny fihetsika momba ny sakafo. Mety misy ihany koa ireo fanafody manampy amin’ny fanalefahana ny soritr’aretina. Ankoatra izay dia mila fanampiana avy amin’ny « nutritioniste » mba hamerenana amin’ny laoniny ny fahazarana ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires