Fomba tsotra fanamboarana « chaussons aux pommes »
Karazana « viennoiserie » iray matsiro sy tena tian’ny ankizy ny « chaussons aux pommes ». Somary lafolafo izy ireny rehefa vidiana eny amin’ny mpivarotra mofomamy eny. Ho an’ireo mankafy manao lakozia ary dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « chaussons aux pommes » ao an-trano.
Ireo akora ilaina raha hanao « chaussons aux pommes »
Amin’ny fanaovana ny « compote de pommes »
-Paoma 500g ;
-Siramamy 50g ;
-Ranona voasary makirana 1 sotrokely ;
-Rano 2 sotro fihinanana.
Amin’ny fanamboarana ny « chaussons »
-« Pâte feuilletée » 1 ;
-Tamenak’atody 1 ;
-Ronono 1 sotro fihinanana ;
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Atomboka amin’ny fanamboarana ny « compote de pommes ». Voasana ny paoma, esorina ny vaoniny ary tetehana tsy atao kely loatra. Arotsaka anaty vilany miaraka amin’ny siramamy, ny ranona voasary makirana ary ny rano. Andrahoina amin’ny afo antonony ary aroharoana matetika tsy hiraikitra. Rehefa malemy tsara sy tsy misy rano dia vita. Avela mangatsiaka. Afaka mampiasa « compote de pommes » efa vonona ihany koa raha tsy te hanamboatra na raha tsy mahita paoma intsony.
Miditra amin’ny fanaovana ny « chaussons ». Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Velarina eo ambony « papier cuisson » ilay « pâte feuilletée » ary tapahana boribory amin’ny alalan’ny « emporte-pièce » na « bol » lehibe.
Asiana « compote de pommes » 1 sotro fihinanana atao feno tsara eo amin’ny antsasak’ilay paty boribory. Avela misy ambiny 1sm mihoatra ny sisin’ny paty. Somary lemana kely amin’ny rano io sisiny io. Avalona hikatona eo ambonin’ilay misy « compote » ny silany ilan’ilay paty hahazoana « chausson ». Atambatra akatona tsara amin’ny tanana ny sisin’ny paty. Afaka tsindriana amin’ny sotrorovitra hanomezana endrika azy sy hampihidy tsara azy.
Rehefa vita avokoa ireo « chaussons » dia hosorana tamenak’atody nafangaro ronono eo amin’ny tampony mba hanomezana loko azy rehefa masaka. Somary tatahana kely maromaro amin’ny lohan’antsy eo ambonin’ny « chaussons » mba hivoaka ny hentona mandritra ny famasahany. Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 20 hatramin’ny 25 minitra eo ho eo. Rehefa mibontsina sy « dorés » tsara ny « chaussons aux pommes » dia vita.