« Conjonctivite » eo amin’ny zazakely : ireo tsara fantatra
Inona avy ireo fambaran’ny « conjonctivite » ? Ahoana ny fomba fitsaboana azy eo amin’ny zazakely ? Inona avy ireo fepetra mila hajaina hiarovana ny zazakely tsy ho tratry ny « conjonctivite » ? Resahana eto ary ny andinindininy amin’izany.
Inona no atao hoe « conjonctivite » ?
Ny « conjonctivite » dia « infection » mahavoa ny « conjonctive » izay hoditra manify mandrakotra ny maso sy ny ao anatin’ny hodimaso. Matetika dia avy amin’ny viriosy ny « conjonctivite ». Mety ho avy amin’ny bakteria, avy amin’ny « allergie » na koa « irritation » ihany koa izy io. Samy mety ho voan’ny « conjonctivite » avokoa na ny zaza na ny ankizy na ny olon-dehibe. Ireo tsara fantatra mikasika ny « conjonctivite » eo amin’ny zazakely moa no resahana manokana eto.
Ahoana ny fisehon’ny « conjonctivite » eo amin’ny zazakely ?
Anisan’ireo fambara ahafantarana fa tratry ny « conjonctivite » ny zazakely rehefa :
-Misy tsiranoka mampiraikitra azy ny masony rehefa mifoha amin’ny maraina ;
-Mena ny maso mandritra ny andro ;
-Misy ranomaso mivoaka ho azy ny maso na misy nana mivoaka ;
-Ny zaza efa afaka miteny dia mitaraina manaintaina, mamasipasika na mangidihidy ao amin’ny maso. Mety mivonto ihany koa ny hodi-maso.
Marihana fa mora mifindra ny « conjonctivite ». Ny fikasohan’ny tanan’ny ankizy iray voa avy nikoso-maso ny tanan’ny ankizy iray salama dia efa ampy hamindra izany eo amin’ity farany. Toy izay ihany koa ny eo amin’ny ray aman-dreny mikarakara zazakely.
Ahoana ny fanadiovana ny mason’ny zaza ?
Anisan’ny fomba manampy hisorohana sy hitsaboana ny « conjonctivite » eo amin’ny zazakely ny fanadiovana tsara ny masony. Anisan’ny fomba atao amin’izany ny fanadiovana ny mason’ny zaza amin’ny « sérum physiologique »
Diovina amin’ny « compresses » madio nasiana « sérum physiologique » ny mason’ny zaza ka avy any anatiny mankany amin’ny sisiny ivelany no hanadiovana azy. Ovaina isaky ny avy mamafa ny « compresse ». Manasa tanana tsara aloha sy aorian’ny hanadiovana ny mason’ny zaza.
Oviana no mila entina mpitsabo ny zaza voan’ny « conjonctivite » ?
Mila entina manantona mpitsabo ny zazakely tratry ny « conjonctivite » raha toa ka tsy ampy hanesorana na hanafoanana ireo tsiranoka eo amin’ny masony ny fanadiovana ireto farany. Tsara ihany koa ny mitondra ny zaza mijery dokotera raha miverimberina matetika ny « conjonctivite ».