• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Marinel Paris
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikoloana ny tarehy : ireo sakafo tsy tsara hoanina raha be mony

23/05/2025 11:46 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra manelingelina fahita eo amin’ny tarehy ny mony. Mandritra ny fotoana fialana sakana no tena mirongatra izy ireny fa mety mbola miseho ihany koa na efa lehibe aza. Ankoatra ny tsy fahampiana torimaso, ny fikorontanan’ny hormonina sy ny rarintsaina dia mety mahatonga azy ireny ihany koa ny sakafo hoanina. Andeha ary ho fantarina ireo karazan-tsakafo tsara fadiana mba hiadiana amin’ny mony.

Sakafo sy mony : inona no hifandraisan’izy ireo ?

Ankoatra izay dia maro ireo vokam-pikarohana mampiseho ny fiantraikan’ny fomba fisakafoanana eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy eo amin’ny hoditra. Ny hoditra dia taova iray manana fiasa, toy ny aty sy ny voa, izay mamoaka ny loto sy ny « toxine » ao amin’ny vatana. Ny ankamaroan’ireo « toxines » ireo moa dia avy amin’ny sakafo hoanina. Rehefa be loatra ny « toxine » miangona ao amin’ny vatana dia mila miasa mafy kokoa ireo taova hamoahana azy ireny. Raha ny hoditra manokana moa dia lasa miova toy ny vasoka sy be menaka rehefa miasa mafy. Lasa misy « imperfections » mipoitra ihany koa, ka anisan’izany ny mony.

Inona ary ireo sakafo tsara fadiana mba hiadiana amin’ny mony ?

Maro ireo karazana sakafo mety mandrisika ny fipoitran’ny mony ka tsara fadiana. Anisan’izany ny :

Ny sakafo be siramamy (indice glycémique)

Mampitombo ny famokaran’ny vatana « hormones androgènes » ny tahana siramamy avo loatra anaty rà. Ankoatra izay, ny siramamy ihany koa dia mandray anjara amin’ny « processus d’inflammation chronique » ka mety vao maika mampirongatra ireo mony eo amin’ny hoditra. Noho izany dia tsara raha ferana ny fihinanana sakafo manana « indice glycémique » avo, toy ny mofo dipaina, ovy, sakafo voahodina, « confiseries »…

Ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono sasany

Ny ronono dia mitahiry « caséine » sy « lactosérum » izay singa voalaza fa vao maika mampitombo ny mony. Rehefa misotro ronono be loatra dia mety miakatra ny tahan’ny « Insulin-like Growth Factor One » ao anaty rà. Izany dia mampirongatra be ny mony, na eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy. Mazava ho azy fa tsy hoe tsy misotro ronono intsony ny tanjona eto fa ny famerana ny fisotroana azy satria ny ronono dia ilaina amin’ny fahasalaman’ny taolana.

Ny sôkôla

Tafiditra anatin’ireo karazana sakafo mila fadiana na ferana rehefa misy mony ny sôkôla. Tsy ny sôkôla rehetra moa no mety mahatonga mony fa ireo izay ahitana siramamy sy ronono ihany. Araky ny voalaza teo ambony tokoa mantsy dia mety mandrisika ny fisian’ny mony ireo akora voalaza teo ireo. Ankoatra izay moa ny siramamy sy ronono dia mety manavesatra ny aty ka vao maika manamafy ny fiasan’ny hoditra amin’ny fanesorana ireo « toxines » miangona ao amin’ny vatana.

Ny toaka

Rehefa be loatra ny toaka sotroina dia lasa simba ny kalitaon’ny hoditra. Lasa tsy malefaka tsara intsony ny hoditra ka mora handairan’ireo fambaran’ny fahanteran’ny hoditra. Ny toaka ihany koa moa dia mety manakorontana ny torimaso ary mety mampiditra siramamy betsaka anaty vatana. Mety mampirongatra be ny mony izy io, indrindra raha miaraka amin’ny rarintsaina sy fomba fisakafoanana tsy voalanjalanja.

Lire la suite

Articles Similaires