• Cours de change
  • 5105.98 AR
  • |
  • $4526.76 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy mahazo aina manao solomaso : ‘ndeha ho resahana !

21/05/2025 15:31 © Moov.Mg

Mety mitranga tokoa ny hoe mahatsapa mavesabesatra ny loha sy ny maso rehefa manomboka manao solomaso (lunettes correctrice). Manelingelina sy tsy mampahazo aina tokoa izy io ka indraindray mampanontany tena ny mety ho antony sy ny azo atao manoloana izany.

Ireo antony mety tsy mampahazo aina rehefa manomboka manao solomaso

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray manomboka manao solomaso na vao niova solomaso. Anisan’izany ny hoe :
-Mila fotoana ny maso sy ny atidoha ahafahany mizatra amin’ny fomba vaovao fahitany ao anatin’ny veran’ny solomaso. Raha niova ny « degré » ny solomaso dia mila miasa mafy kokoa ny maso vao zatra izany, indrindra mandritra ireo andro voalohany. Mety mamizaka ireo hozatra manodidina ny maso izany ka mahatonga fahatsapana mavesabesatra eo amin’ny faritry ny maso na ao amin’ny loha.
-Raha mitsaboa « astigmatisme » ny solomaso dia mety manova kely ny fahitana ireo vera amin’ny voalohany. Izany moa dia mitaky fiasan’ny atidoha mafy kokoa amin’ny fahazoana ny sary hitan’ny maso. Eo amin’ireo manao « verres progressifs », izany hoe fanamboarana ny fahitana lavitra, antonony sy akaiky, dia mety hahatsapa fanina, marary an-doha sy reraka ny maso mandritra ny fotoana hizaran’ny atidoha amin’ilay solomaso.
-Fahadisoan’ny « degré » ny solomaso. Na dia tsy dia mitranga matetika aza izany dia azo eritreretina ho antony tsy mampahazo aina rehefa manao solomaso ihany, indrindra raha tsy mety misinda izany. Mety ho avy amin’ny solomaso tery loatra, tsy mipetraka tsara, manery ny ambadiky ny sofina… ihany koa fanelingelenana tsapa.

Ireo vahaolana azo atao

Matetika dia mandalo ihany ny tsy fahazoana aina rehefa manao solomaso. Anisan’ireo vahaolana afaka atao manoloana izany ny :
-Fananana faharetana. Izany hoe mila mizatra eo amin’ny 1 na 2 herinandro eo ny maso sy ny atidoha vao misinda io tsy fahazoana aina io.
-Raha tena tsy mahazo aina mihintsy dia afaka atao maka aina kely ny maso, indrindra raha manao zavatra mampiasa maso be loatra. Mikipy kely mandritra ny minitra vitsy na mijery zavatra lavitra mba hampitony ny hozatra ao amin’ny maso.
-Atao mipetraka tsara ny solomaso. Tsy atao ambony loatra na ambany loatra.
-Misotro rano tsara ary tsy manao vizaka loatra. Ny havizanana tokoa mantsy dia mety mampitombo ny havizanan’ny maso sy ny aretin’andoha.
-Raha tsy metsy misinda ireo soritr’aretina na vao maika mihombo aorian’ny 2 herinandro nanaovana ny solomaso dia mila manantona mpijery maso. Izany dia mba hamerenana mizaha ny maso sy manova ny solomaso raha ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires