• Cours de change
  • 5144.28 AR
  • |
  • $4533.35 AR
Copyright Image : © Choisir Ma Crèche
Image
Reny&Zaza

Tera-bao : torohevitra hisorohana ny fialonana eo amin’ny zoky

20/05/2025 14:49 © Moov.Mg

Mampiova zavatra maro eo amin’ny ankohonana ny fahatongavan’ny zazakely, indrindra eo amin’ny zoky manarakarak’azy izay lasa mila mizara ny ray aman-dreniny tampoka teo. Mety hananana fahasarotam-piaro na fialonana kely izy manoloana ny zandriny, ary toe-po ara-boajanahary moa izany. Mila karakaraina sy homena fitiavana tsara ny zoky mba hahatsiaro tena ho tiana sy misy lanjany hatrany.

Alohan’ny fahaterahan’ny zazakely dia homanina ny zokiny

Anisan’ny fomba manampy hisorohana ny fahasarotam-piaro sy ny fialonana eo amin’ny zoky dia mila homanina tsara alohan’ny hatongavan’ny zazakely :
-Atao mandray anjara amin’ny fiomanana amin’ny fandraisana ny zaza. Avela manampy amin’ny fisafidianana ny akanjo sy ireo kojakoja ilaina handraisana ny zandriny izy. Azavaina azy amin’ny fomba tsotra ireo zavatra hiova.
-Resahana momba ny zazakely izy. Afaka mamaky boky mikasika ny fahatongavan’ny zandry ao amin’ny ankohonana ohatra. Aseho sariny tamin’izy mbola zazakely izy.
-Omena lanja ny maha zoky azy. Azavaina aminy ny tombontsoan’ny maha zoky. Ohatra amin’ny filazana hoe « afaka manampy amin’ny fikarakarana ny zandry », « efa lehibe ianao izao dia afaka manao zavatra maro kokoa ».
-Atomboka sahady ireo fiovana lehibe hitranga, toy ny fiovana fandriana, efitrano, fandehanana mandeha « crèche » na mianatra… Tsara raha atao dieny mbola tsy tonga ny zazakely ireny fiovana ireny mba hieritreretany hoe nohon’ny fahatongavan’ny zandry no mahatonga izany.

Rehefa teraka soamantsara ny zaza

Rehefa teraka soamantsara ny zazakely dia avela hijery azy ny zokiny. Omena fanomezana kely izy hoe avy amin’i zandry. Na dia sarotra aza ny mikarakara ny zazakely vao teraka dia mila manokana fotoana kely ny ray aman-dreny, indrindra ny reny, hikarakarana ny zoky mba hahatsapany fa mbola tiana sy manan-danja hatrany izy na misy zandry aza.
Mandritra ny andavanandro ao an-trano dia homena lanja ny ezaka sy ny fanampiana kely ataon’ny zoky, na amin’ny fikarakarana ny zazakely izany na ny ao an-trano. Tandremana kosa nefa tsy hampandraiketina ny zandry aloha be ny zoky. Avela izy miaina ny fahazazany fa tsy asaina mikarakara na mitaiza ny zandriny.
Raha toa ka mampiseho hatezerana na alahelo izy dia tsy ferana fa avela havoakany ny fihetseham-pony. Hazavaina azy fa mbola tian’i dada sy neny foana izy na eo aza i zandry.
Tandremana tsara tsy hampitahaina ny zanaka. Samy manana ny maha izy azy ny zaza sy ny ankizy tsirairay ka tsy azo atao ny mampitahy azy ireny. Manimba ny fahatokisan-tena izany ary mety mamboly fialonana amin’ny ankilany.

Lire la suite

Articles Similaires