• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Yaourt nature » : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

13/05/2025 14:04 © Moov.Mg

Sakafo iray isan’ny mahasoa tokoa ny « yaourt nature ». Maro ny vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana azo avy amin’izy io. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fikolokoloana ny hoditra ihany koa karazana « yaourt » tsy misy siramamy ity . Araho eto ary ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny « yaourt nature ».

Manatsara ny fandevonan-kanina sy mikolo ny fahasalaman’ny tsinay ny « yaourt nature »

Ny « yaourt nature », indrindra ireo mitahiry « cultures vivantes et actives », izay misoratra eo amin’ny fonony, dia manankarena « probiotiques ». Ireto farany dia bakteria tsara izay manampy amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina, mikolo ny fahasalaman’ny tsinay ary mampihena ny rivotra ao anaty kibo.
Indraindray dia mety manampy amin’ny fampitoniana ny soritr’aretin’ny fivalanana na ny « syndrome de l’intestin irritable » eo amin’ny olona sasany ihany koa ny « yaourt nature ». Afaka mamerina ny « équilibre bactérien » aorian’ny fihinanana « antibiotiques » ihany koa moa izy.

Mitondra otrikaina ilain’ny vatana

Sakafo iray manankarena kalsioma ny « yaourt nature ». Ny kalsioma moa dia tena ilaina amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny taolana sy ny nify. Ny ankizy, ny zatovo ary ny beantitra no tena mila azy io.
Ankoatra izay dia ahitana proteina amin’ny kalitao ambony ihany koa ity karazana « yaourt » ity. Izany dia mitana anjara lehibe amin’ny famokarana sy fanamboarana ireo sela, fanomezana fahatsapana voky sy fitazomana ny « masse musculaire ».

Manampy amin’ny fikarakarana ny hoditra

Akora natoraly afaka ampiasaina amin’ny fikarakarana ny hoditra sy ny hodi-tava ihany koa ny « yaourt nature ». Mazava ho azy fa ahosotra izy amin’izay fotoana izay fa tsy hoanina. Anisan’ireo vokatsoa azo avy aminy ny :
-Fampitoniana ny hoditra main’ny masoandro. Hosorana moramora eo amin’ilay faritra main’ny masoandro ny « yaourt nature » mangatsiaka mba hampitony ny fanaintainana. Manome « hydration » ihany koa izy io no izy manana fiasa mampangatsitsiaka ;
-Fanomezana sakafo sy fanadiovana ny hodi-tava. Azo ampiasaina hanaovana « masques » fikarakarana tarehy ny « yaourt nature ». Ny « acide lactique » ao anatiny dia manadio ny hodi-tava ary manampy amin’ny fanesorana ireo sela maty. Ny tavy ao aminy kosa dia manamandina ny hoditra. Azo afangaro amin’ny tantely moa izy io mba hahazoana vokatra tsara kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires