• Cours de change
  • 5003.25 AR
  • |
  • $4507.32 AR
Copyright Image : © Sud Ouest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana no hanombohana fanatanjahan-tena aorian'ny faha 40 taona ?

13/05/2025 11:07 © Moov.Mg

Variana tamin’ny fianarana sy ny fitadiavana, tsy ampy fotoana, kamokamo… maro ireo antony nahatonga ny olona tsy nanao fanatanjahantena. Azo atao ary ve ny manomboka manao fanatanjahantena aorian’ny faha 40 taona ? Eny ny valiny. Misy kosa ireo fiomanana sy torohevitra tsara fantatra alohan’ny hisoroana amin’izany.

Manantona mpitsabo alohan’ny hanombohana fanatanjahantena aorian’ny faha 40 taona

Alohan’ny hanombohana hanao fanatanjahantena aorian’ny faha 40 taona dia ilaina ihany ny manantona mpitsabo vao miroso amin’izany. Ny mpitsabo no manao ny fizahana ny toe-pahasalamana amin’ny ankapobeny mba hijerena sao misy tsy olana ara-pahasalamana tsy ahafahana mampiasa vatana be loatra. Izy ihany koa no afaka manoro ny karazana fanatanjahantena tsara atao, indrindra raha vao hanomboka hiroso amin’izany.

Mametraka tanjona afaka tratrarina sy afaka kendrena tsikelikely

Raha vao hanomboka hanao fanatanjahantena mihintsy aorian’ny faha 40 taona dia tsy tokony hikendry tanjona avo be toy ny hoe hahavita hiazakazaka hanao « marathon » ao anatin’ny 1 volana. Atomboka amin’ny kotrana moramora ary hampitomboina tsikelikely ny hamafiny, ny faharetany sy ny hatetiky ny fotoana hanatanterahana izany.

Fanatanjahantena tiana no atao

Mila mikaroka ny fanatanjahantena mahafinaritra sy mampazoto izay vao miroso amin’ny fanombohana izany. Izany dia mba hisorohana ny hakamoana na ny hakiviana hanohy rehefa any aoriana. Afaka manandrana karazany vitsivitsy amin’ny voalohany raha mbola tsy fantatra mazava izay tiana atao. Anisan’ireo azo andramana ohatra ny dia-malaky, ny « randonnée », ny lomano, ny « yoga » na « Pilates », ny « musculation » maivana…

Manafana vatana tsara alohan’ny hanombohana ary manao « étirements » rehefa vita

Mitombo kokoa ny « risques » mety hamparatra eo am-panaovana fanatanjahantena eo amin’ireo olona vao manomboka mikotrana aorian’ny faha 40 taona. Mba hampihena izany « risques » izany dia ilaina ny manafana vatana tsara alohan’ny hanombohana. Rehefa vita ny fanatanjahantena dia tsy adinoina ny manao « étirements ». Sady manampy amin’ny famerana ny « courbatures » ihany koa moa ny fanaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires