Bevohoka : tsy tsara misakafo be loatra
Mila misakafo ho an’olon-droa hono ny bevohoka ? Fihevitra diso ihany nefa izany satria tsy ny fatran’ny sakafo no mila ampitomboina fa ny kalitaon’ny sakafon’ny reny sy ny zaza no mila hatsaraina. Andeha ary ho fantarina ireo antony tsy tokony hinanana sakafo be loatra rehefa bevohoka.
Mila misakafo tsara mandritra ny fitondrana vohoka
Mila misakafo tsara ny bevohoka mba hanomezana ny zaza ao am-bohoka ireo singa rehetra ilainy amin’ny fitomboany : proteina, siramamy, vitamina, mineraly… Mila hery sy otrikaina betsaka kokoa ihany koa ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Miantoka ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fahampiana sakafo tsara rehefa bevohoka.
Marihana nefa fa ny atao hoe « misakafo tsara » eto dia ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana fa tsy ny fampitomboana ny fatran’ny sakafo hoanina. Maro tokoa mantsy ny mihevitra hoe mila misakafo be fotsiny ny bevohoka ka tsy mifidy izay zavatra hoanina. Ny tanjona dia ny fahazoana ireo otrikaina rehetra ilain’ny vatan’ny bevohoka sy ny zaza.
Ireo antony tsy tokony hisakafoanana be loatra rehefa bevohoka
Samy manana ny toe-batany ny bevohoka tsirairay. Misy ireo tsy mazoto homana ary misy ireo lasa tia misakafo be loatra indray. Samy mety misy fiantraikany ratsy avokoa izy roa ireo ka ireo mety ho vokadratsin’ny fihinanana sakafo be loatra mandritra ny fitondrana vohoka no andeha ho fantarina eto.
Mety hitarika olana sy fahasarotana ara-pahasalamana eo amin’ny reny
Ny fisakafoanana be loatra mandritra ny fitondrana vohoka dia mety hampitombo lanja be loatra ny bevohoka. Izany dia mety hitarika olana sy fahasarotana ara-pahasalamana toy ny :
-« Risque » hampisy « diabète gestationnel ». Ity farany dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny reny sy ny zaza ;
-Mety hisy « hypertension gestationnelle » na fiakaran’ny tosidrà izay mila fanaraha-maso akaiky tokoa ;
-Fahasarotana eo amin’ny fiterahana ka mety ho didiana ;
-Fahasahiranana manena tena rehefa aorian’ny fiterahana ;
-Fitomboan’ny « risque » ho lasa « obèse » na matavy loatra sy ho tratry ny aretin’ny fo sy lalandrà rehefa any aoriana ;
Mety hiteraka olana ara-pahasalamana eo amin’ny zaza
-Ny fitomboana lanja be loatra eo amin’ny bevohoka ihany koa dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny zaza :
-Mety ho ngeza loatra ilay zaza ka avo kokoa ny « risques » mety hamparatra azy raha ateraka amin’ny fomba ara-boajanahary ;
-Avo kokoa ny « risques » hahatonga ilay zaza ho lasa matavy be loatra na « obèse » rehefa any aoriana ;
-Mampitombo ny « risques » hahateraka tsy tonga volana.