• Cours de change
  • 5008.54 AR
  • |
  • $4481.05 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Anôsy
Image
Vaovao

Vokatra « baie rose » : Misokatra ny taom-piotazana 2025, ho an’ny Faritra Anôsy

12/05/2025 10:50 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy, ny 10 mey 2025 teo, ny taom-piotazana dipoavatra mena, na « baie rose » any amin’ny Faritra Anôsy. Isan’ny manana ny tsara kalitao indrindra amin’izany vokatra izany ity Faritra ity, araka ny nambaran’ny goverinoran’ny Faritra Anôsy.

Seha-pihariana « baie rose »

Raha ny fantatra dia ny kaominina ambanivohitr’i Mandiso, ao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anôsy, no faharoa maneran-tany, manana vokatra tsara sy betsaka indrindra, raha ny dipoavatra mena na « baie rose » no resahana. Ny 80% amin’ny ny vokatra « baie rose » eto Madagasikara rahateo dia mivoaka avy ao amin'ny Faritra Anôsy avokoa. 300 Taonina ny vokatra niakatra tamin’ny taona 2024, saingy hohatsaraina sy hampitomboina izany amin'ity taona 2025 ity. Nisy fihenany rahateo ny fanjifana ny « baie rose » maneran-tany, nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19, ary mbola tsy tafarina tanteraka taorian’izany. Araka izany, eo an-dalam-piarenana tanteraka ity seha-pihariana iray ity amin’izao fotoana izao.

Vokatra tsara kalitao

Tany amin’ny kaominina Magnalo, kaominina Manambaro, any amin’ny Distrikan’i Taolagnaro, no nanokafana tamin’ny fomba ôfisialy, ny taom-piotazana dipoavatra mena taona 2025, ho an’ny Faritra Anôsy, ny 10 mey 2025 teo. Ny Goverinoran'ny Faritra Anôsy, Voahary Rakotovelomanantsoa, no nitarika ny lanonam-panokafana, natrehin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan’i Taolagnaro, Chabani Nourdine, sy ireo tompon'andraikitra maro isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon'antoka manohana ity seha# pihariana ity.

Ireo mpisehatra rehetra, manomboka amin'ireo mpamboly ka hatrany amin'ireo mpanondrana, no miara-misalahy amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny vokatra « baie rose ». Manentana sy manara-maso akaiky kosa ny fitaleavam-paritry ny indostria sy ny varotra, ny amin’ny fanajana ireo fifanarahana ara-barotra sy ara-kalitao napetraka, ho an'ny taom-piotazana 2025. Manamafy izany ireo tomponandraikitry ny Faritra Anôsy, ka nanentana ny rehetra mba hanaja izany, ho an’ny tombontsoa iombonana.

Lire la suite

Articles Similaires