• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Granions-Laboratoire Des Granions
Image
Reny&Zaza

Zaza mivalana : fantaro ireo tokony sy tsy tokony atao

02/05/2025 15:48 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampiferotr’aina ireo ray aman-dreny mitaiza kely ny fivalanana eo amin’ny zaza. Mety mitarika tsy fahampiana rano na « déshydratation » izy io raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna ka mety hitera-doza eo amin’ny zaza. Andeha ho resahana eto ireo tokony atao sy tsy tokony atao rehefa mivalana ny zaza.

Ireo antony mety mampivalana ny zaza

Mbola tsy hary ary mbola marefo ny kibo sy ny tsinain’ny zaza ka mora mivalana izy ireny. Ny zaza efa misakafo, izany hoe ireo anelanelan’ny 6 volana sy 3 taona, matetika no tena voakasik’izany. Anisan’ireo antony mampivalana ny zaza ny :
-Otrikaretina na viriosy manaparitaka aretim-pivalanana ;
-Fihinanana sakafo ratsy tahiry ka lasa mankarary kibo azy ;
-Tsy fahazakana sakafo sasany, toy ny « lactose »… ;
-Fihinanana fanafody sasany ;
-Tsy fahalevonan-kanina.

Ireo tokony atao sy tsy atao rehefa mivalana ny zaza

Satria saropady ny fahasalaman’ny zaza dia mila fantatra ireo fihetsika tokony atao raha sendra mivalana izy.
Raha mbola latsaky ny 6 volana ny zaza
Manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka mivalana ny zaza latsaky ny 6 volana. Mora andairan’ny « déshydratation » tokoa mantsy izy ireny. Izany hoe tratry ny fahaverezan-drano sy mineraly betsaka izy isaky ny mivalana ka mety hitarika amin’ny fahafatesana izany raha tsy mahazo fandraisana an-tanana malaky. Mandrapahatongavana any amin’ny mpitsabo dia omena nono (rononon-dreny) foana izy mba hanoloana ny rano very.
Raha mihoatra ny 6 volana ny zaza
Raha efa mihoatra ny 6 volana ny zaza mivalana dia omena SRO vidiana eny amin’ny farmasia izy mba hamerina ny rano sy mineraly rehetra very sy hisorohana ny « déshydratation ». Azo atao ihany koa ny manamboatra 1 sy 8 ao an-trano. Izany hoe rano avy nampangotrahana 1l asiana sira 1 sotro sy siramamy 8 sotro.
-Sakafo mampijanona ny fivalanana no omena betsaka ny zaza mivalana. Anisan’izany ohatra ny ovy, karaoty, paoma, akondro…
-Fadiana ny manome sakafo manome vahana ny fivalanana toy ny sakafo be fibra, ny legioma maitso, ny jus misy gaz, dite, kafe, sakafo be menaka…

Ireo fitandremana atao mba tsy hampivalana ny zaza

Mba hisorohana ny fivalanana eo amin’ny zaza dia :
-Sasana matetika amin’ny rano sy savony ny tanana, na ny an’ny zaza na ny an’ny mpikarakara ny sakafon’ny zaza, indrindra rehefa avy any amin’ny lavapiringa satria any no be viriosy mitondra aretim-pivalanana indrindra ;
-Sakafo « frais », izany hoe tsy mialon’andro, hatrany no homena ny zaza ;
-Rano madio sy azo antoka tsara no hampisotroina azy ;
-Atao masaka tsara hatrany ny sakafon’ny zaza, indrindra ny hena ;
-Sasana tsara ny voankazo omena azy.

Fanamarihana

Rehefa vao manomboka ny fivalanana no atao ireo torohevitra nambara ireo. Raha hita kosa fa vao maika mihombo ny fivalanana dia entina eny amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany ny zaza. Manantona mpitsabo malaky kosa raha toa ny zaza mivalana ka : manavy, tsy mety misakafo, mandoa, tsy mety misotro rano.

Lire la suite

Articles Similaires