Aretina « arthrose » : ireo sakafo manampy mampihena ny fanaintainana
Aretin’ny vanintaolana mahavoa olona maro ny « arthrose ». Miseho amin’ny fahasimban’ny « cartilage » ao amin’ny vanintaolana samihafa, toy ny ao amin’ny hazon-damosina, rantsan-tanana, lohalika, valahana, soroka, kitrokely… izy io. Mbola tsy misy fanafana hatreto ny « arthrose » ka ny fitsaboana ireo soritr’aretina ihany no afaka atao. Misy ihany koa ireo karazana sakafo tsara hoanina izay manampy amin’ny fampitoniana ny fanaintainana vokatr’ity aretina ity.
Ny tamotamo, mampitony ny fanaintainana vokatry ny aretina « arthrose »
Karazana « épice » iray be mpampiasa ny tamotamo noho izy mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Manana fiasa « antiseptiques », « anti-inflammatoires » ary « antioxydantes » izy io. Noho ireo antony ireo dia tena tsara ho an’ny olona tratry ny « arthrose » ny mihinana tamotamo noho izy sady mampihena ny fahatsapana mihenjana eo amin’ny vanintaolana no mampitony ny fanaintainana mafy aterak’ity aretina ity.
Ny sakamalaho
Sakafo mahasalama efa nampiasaina hatry ny ela ny sakamalaho. Ity faka iray manana tsiro masitsiaka sy manitra ity dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Manana fiasa « anti-inflammatoires » sy « antioxydantes » moa ny sakamaloho noho izy ahitana ny singa atao hoe « gingerol », « zingérone » sy « shogaol ». Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny fanaintainan’ny vanintaolana sy ny « arthrose » ny fihinanana azy ity.
Ny laisoa
Legioma iray manankarena fer, manganèse ary vitamina B1, B6, C, K ny laisoa. Ankoatra izay dia mitahiry « antioxydants » matanjaka ihany koa izy io ka dia tena tsara hoanina matetika hiadiana amin’ny aretina « arthrose ». Ny tena mety dia hoanina manta na zara raha masaka ny laisoa mba tsy ho very ireo otrikaina ao anatiny. Ny « chou frisé » no be « antioxydants » indrindra, fa ilaina ihany nefa ny mihinana ireo karazana laisoa hafa, toy ny « choux de Bruxelles », « choux rouges », soflera…