• Cours de change
  • 5042.92 AR
  • |
  • $4488.02 AR
Copyright Image : © Mr Cuisto
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « lasagnes aux fruits de mer »

25/04/2025 16:40 © Moov.Mg

Mbola vitsy eto amintsika ny mahafantatra ny « lasagnes ». Karazana paty fisaka lehibe atao mifanaingina ary asiana fangaro maro izy io hanomezana tsiro azy. Maro ny fomba afaka hikarakarana azy io ka ny entina amintsika eto indray ary dia ny fanaovana « lasagnes aux fruits de mer ».

Ireo akora ilaina raha hanao « lasagnes aux fruits de mer »

-Ravina paty « lasagnes » 12 ;
-Hazan-dranomasina 700g (izay tiana) ;
-Ronono 1l ;
-Fromazy voakiky 200g ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy hasiny 2 ;
-Dibera 50g ;
-Lafarina 5 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 240°C ny lafaoro.
Homanina ny hazan-dranomasina. Raha trondro dia diovina tsara, tetehana ary avela hitsiaka tsara. Raha vokatra hafa toy ny « crevettes » dia voasana tsara, sasana, tetehana raha ilaina ary avela hitsiaka.
Tetehana manify ny tongolo sy ny tongolo gasy. Endasina ny anaty vilany ny tongolo sy ny tongolo gasy. Arotsaka ao manarak’izay ny hazan-dranomasina. Asiana sira sy dipoavatra ary aroharoana tsara. Saromana ary avela eo aloha.
Homanina ny « béchamel ». Hafanaina ny dibera, arotsaka tsikelikely ny lafarina ary atao mifangaro amin’ilay dibera mandrapahazoana fangaro somary miloko volontany matsatso. Ampidinina atao malefaka ny afo ary aroharoana tsy ankiato. Arotsaka ny ronono ary tohizana aroharoana hatrany mandrapahavita ny « béchamel ». Asiana sira sy dipoavatra kely.
Mampangotraka rano anaty vilany lehibe. Arotsaka ao ny ravina lasagnes. Avela somary halefaka ao mandritra ny 5 minitra. Tsy atao malemy loatra nefa tsy mafy be koa. Rehefa vita dia apetraka tsirairay eo ambony lamba madio. Tsy atao mifanaingina.
Alaina ny « plat à gratin » ary osorana dibera na menaka. Rarahana « béchamel » manify mandrakotra azy ny « fond » an’ilay plat. Alahatra eo amboniny ny ravina lasagnes 3. Rarahana ny 1/3 ilay hazan-dranomasina nendasina teo. Asiana « bechamel » kely indray. Avy eo alahatra eo amboniny ny ravina lasagnes 3 dia asiana fruits de mer kely sy « béchamel ». Atao farany izay dingana izay miaraka amin’ireo ravina lasagnes 3 manaraka. Amin’ny farany rakofana ny ambina lasagnes 3 farany izy rehetra. Araraka eo ambonin’ireto farany ny ambin’ny « béchamel ». Rarahana ny fromazy ny tampony.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 35 minitra hatramin’ny 40 minitra eo ho eo. Jerijerena ihany ka rehefa manomboka miova loko ny fromazy dia vita ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires