Ady amin’ny haromotana : Alika miisa 287 novonoina teto Antananarivo Renivohitra
Mitohy ny ady amin’ny haromotana, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Alika mirenireny miisa 287, tao anatin’ny boriborintany miisa enina teto Antananarivo Renivohitra no novonoina, tao anatin’ny telo herinandro.
Areti-mandoza tsy mbola voafehy
Matetika dia avy amin’ny biby no tena mahatonga ny aretina haromotana amin’ny olombelona. Aretina tsy mora sitranina anefa izy io ary miafara amin’ny fahafatesana hatrany. Raha ny fanazavana avy amin’ny Minisitera dia ny alika romotra, sy tsy vita vakisiny matetika no tena mamindra azy. Antony voalohany namonoana ireto alika mirenireny ireto izany satria matetika izy ireo no tsy vita vakisiny ka hatahorana hamindra.
Raha ny antontan’isan’ny Institut Pasteur (IPM) ny taona 2024 izao dia nahafaty olona hatramin’ny 800 isa isan-taona io aretina io teto Madagasikara, tao anatin’ny telo taona. Izany hoe, mbola sarotra ny fifehezana ity aretina ity satria dia mbola tena betsaka tokoa ny alika mirenireny, mety ho tsy vita vakisiny ara-dalàna. Tanjona maneran-tany ny hanafoana tanteraka ny haromotana hatramin’ny taona 2030. Mbola lavitra ny ezaka raha ho an’ny Madagasikara izay mbola manana io taham-pahafatesana ambony io.
Mila manampy fanentanana
Ny fanaovam-bakisiny ny biby fiompy irery ihany no tena vahaolana enti-miady amin’ity aretina tsy mamela-mahazo ity. Mbola maro anefa ny olona tsy mahalala ny fisian’io vakisiny io, na tsy miraharaha akory ny fisian’izany ka mampirongatra ny aretina. Raha ny isa farany, ny taona 2024 hatrany dia alika miisa 50 isan-taona eo ho eo no voan’ny haromotana, eto Madagasikara. Tsotra anefa io fanaovam-bakisiny io, izay tokony hampitomboana ny fanentanana momba azy.
Eto Antananarivo dia miara-miasa amin’ny CORAMAD (tetikasa fanaraha-maso ny haromotana eto Madagasikara) ny Kaominina amin’ny fanentanana sy ny hetsika samihafa entina hiadiana aminy. Ao anatin’izany ny fitetezana sekoly fianarana sy fanapariahana ireo fihetsika tokony hatao raha sendra voakaikitry ny biby hatahorana misy haromotana. « Raha sanatria voakaikitry ny alika dia sasao amin' ny rano sy savony ny fery ary manantona tobim-pahasalamana akaiky anao »