Ady amin’ny tazomoka : fanamby maneran-tany mbola mitohy
Marihana anio 25 aprily ny andro manerantany ho an’ny ady amin’ny tazomoka ho an’ity taona 2025 ity.
Mbola mijanona ho fanamby lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny tazomoka, indrindra eo amin’ireo faritra mafana sy mandolava. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fomba fisorohana sy ny fitsaboana ny aretina ny famantarana ireo mety ho fahasarotana ara-pahasalamana aterany.
Ireo mety ho fahasarotana ateraky ny tazomoka raha tsy voaray an-tanana
Aretina azo avy amin’ny kaikitry ny mokavavy antsoina hoe « anophèle » ny tazomoka na « paludisme ». Rehefa avy nanaikitra olona tratry ny tazomoka ny anophèle dia mitondra ilay otrik’aretina antsoina hoe « plasmodium » ka mamindra izany amin’ny olona salama kakeriny.
Na dia azo tsaboana aza ny tazomoka dia mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana ary mety mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna. Anisan’ireo fahasarotana mety ateraky ny tazomoka ny :
-« Neuropaludisme » izay miseho amin’ny fikorontanana lalina ao amin’ny atidoha na « troubles neurologiques sévères ». Izy io dia mety miteraka tsy fahatsiarovan-tena, fikorontanan’ny saina, mifanintona, havizanana lalina… Ny ankizy matetika no tena tratran’izy ity ary mety hampisy takaitra ara-tsaina izy io any aoriana ary mety mahafaty ihany koa.
-« Anémie sévère » na tsy fahampiana rà lalina. Isan’ireo fahasarotan’ny tazomoka matetika fahita izy io ary mety mahafaty. Ny fanapotehan’ny katsentsitra « plasmodium » ny sela mena anatin’ny rà sy ny famohan’ny « rate » izany no miteraka ny « anémie ». Raha mitranga izany dia mety hahatsiaro reraka be, sempotsempotra, hatsatra na koa manao « insuffisance cardiaque » rehefa tena « graves ». Ny ankizy sy ny bevohoka no isan’ireo mora tratr’ity fahasarotana ity.
-« Insuffisance rénale aigüe », indrindra eo amin’ireo lehibe tratrin’ny « paludisme sévère ». Miseho amin’ny fihenan’ny famokarana pipy sy ny fiangonan’ny loto ao anaty rà ity fahasarotana ara-pahasalamana mahavoa ny voa vokatry ny tazomoka ity. Matetika dia mila « dialyse » ary mety mahafaty izy io.
-« Syndrome de détresse respiratoire aigüe » izay fahasarotana ara-pahasalamana mahazo ny havokavoka. Miseho amin’ny fiandronana rano anatin’ny havokavoka izy io ka lasa manasarotra ny « respiration ».
-« Hypoglycémie » na fihenan’ny tahan’ny siramamy anaty rà. Mety mitarika fanintona, tsy fahatsiarovan-tena ary fahasimbana ao amin’ny atidoha izy io raha tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna.
-Fahafahan-jaza, fiterahana tsy tonga volana, « anémie sévère »… eo amin’ny bevohoka.
Fanamarihana
Tsara ny manamarika fa ambony kokoa eo amin’ny zazakely, ankizy, bevohoka, beantitra ary ny « voyageurs » tsy voaaro ny « risques » hampisy fahasarotana lalina ny tazomoka. Ny fisorohana amin’ny alalan’ny fampiasana « moustiquaires » misy ody moka ary ny fampiasana ody moka no isan’ny fomba hiadiana amin’aretina tazomoka. Zava-dehibe ihany koa ny fitsaboana malaky sy ara-dalàna azy io mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana mety haterany.