• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Nt
Image
Madagasikara

Boroina : Ody mpamosavy sady ody fonoka

24/04/2025 08:10 © Moov

Mbola misy tokoa ireo tanana be mpamosavy eto Madagasikara. Manginy fotsiny ny fampiasan'ireo olon-dratsy fonoka rehefa hamaky trano na hangalatra voninkazo lafovidy eo an-tokotany. Araka ny lovan-tsofina, zava-maniry sady ody mpamosavy no tsy mampandaitra fonoka ny Boroina.

Ambolena eo an-tokotany, izany hoe amin'ny tany eo an-jaridaina, ny Boroina. Azo ambolena anaty tavy ihany koa izy ka apetraka eo am-bavahady, eo amin'ny lalankely miditra ao an-trano na eo am-baravarankely. Manana hery manokana io zava-maniry io ka tsy mahatamana mpamosavy sady mampitsoaka azy ireo mihitsy. Tsy tafiditra amina tanana misy Boroina izany ireo mpilalao ody ratsy. Mandaitra amin'ny ady amin'ny fonoka ihany koa izy. Tsy voatery mametraka rano isam-baravarankely intsony izany raha matahotra fonoka, indrindra ho an'ireo mipetraka amina toerana tsy dia mandry fahalemana. Raha mody alina matetika, tsara raha mitondra raviny iray any am-paosy.
Raha bangoina amin'ny teny fohy dia "fiarovana" ny Boroina. Hita eny amin'ireo mpivaro-bonikazo toy ny eny Anosy io zava-maniry io.

Ny fadin'ny Boroina

Voalaza kosa nefa fa tsy azo ampidirina an-trano ny Boroina na dia fiarovana aza. Mety hampikorontana tokantrano izy io. Mampisaraka mpivady mihitsy aza hono. Any ivelany ihany izany no apetraka ny Boroina rehefa mamboly azy.

Fampiasana ny Boroina amin'ny fitsaboana

Azo atao tambavy ny Boroina na tsakoina ny raviny voasasa tsara. Sady ody tazo izy no manala areti-nify. Tsy tsara kosa nefa ny mihinana azy raha bevohoka na mampinono.

Lire la suite

Articles Similaires