Fahasalaman’ny nify eo amin’ny bevohoka: ireo tsara fantatra
Fotoana mafinaritra nefa mitaky zavatra maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Ny fikorontanan’ny hormonina mitranga mandritra io fotoana io dia mety misy fiantraikany maro eo amin’ny fahasalamana, ka anisan’izany ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Ny fiantraikan’ny fitondrana vohoka eo amin’ny fahasalaman’ny nify
Maro ireo anton-javatra mifandray amin’ny fitondrana vohoka izay mety mampitombo ny « risques » hankarary ny nifin’ny bevohoka :
-Fiakaran’ny hormonina. Ny fiakaran’ny tahan’ny « œstrogènes » sy ny « progestérone » dia mety mamparefo ny hihy sy hahatonga azy ho mora mandeha rà ;
-Maloiloy sy mandoa. Mety manimba ny « émail » ny nify ka mahatonga azy mora tratry ny areti-nify ny fiakaran’ny « acide gastrique » ao am-bava rehefa mandoa matetika ny bevohoka ;
-Fiovan’ny fahazarana ara-tsakafo. Ny bevohoka tia tsakotsako, matetika zavatra mamy na marikivy, dia mora andairan’ny areti-nify ;
-Fiovan’ny rora. Mandritra ny fitondrana vohoka dia mety hiova ny fangaro mandrafitra ny rora na ny habetsaky ny rora ka lasa mihena ny fahafahan’ity farany hiady amin’ny « acides » sy hiaro ny nify.
Mila kolokoloina ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava mandritra ny fitondrana vohoka
Tena ilaina ny mikarakara tsara ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava mandritra ny fitondrana vohoka :
-Borosiana tsara, in-droa isanandro, ny nify. Borosy nify malefaka no ampiasaina mba tsy handratra ny hihy lasa marefo vokatry ny fiovaovan’ny hormonina eo amin’ny bevohoka ;
-Mampiasa « fil dentaire ». Mila diovina tsara amin’ny « fil dentaire » ny elanelan’ny nify mba hanesorana ny « plaque » sy ireo ambin-tsakafo tavela ao ;
-Hontsanina amin’ny « bain de bouche » tsy misy alikaola ny vava mba hanamafisana ny « émail » ny nify sy hampihenana ireo bakteria ;
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana hitandrovana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Ahena ny fihinanana sakafo sy zava-pisotro mamy sy marikivy. Sakafo voalanjalanja manankarena kalsioma, vitamina sy mineraly no atao betsaka.
-Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro mba hitazomana ny kalitaon’ny famokarana rora.
Ny fitsaboana ny nify eo amin’ny bevohoka
Azo antoka ary hamporisihina ny fanantonana mpitsabo nify rehefa bevohoka. Ampahafantarina ity farany hoe mitondra vohoka ny tena mba ahafahany manatanteraka ny fitsaboana nify mifanaraka amin’izany.
Ilaina ny mizaha ny nify matetika mba hahitana sy hitsaboana malaky ny mety ho tsy fahatomombanana. Amin’ny ankapobeny dia afaka atao avokoa ny fikarakarana sy fitsaboana nify mahazatra, toy ny ho fanadiovana, fanetsemana sy fanalana ny nify. Mandritra ny telo volana faharoa ny vohoka no tsara hanatanterahana izany. Ireo fitsaboana tsy maika dia ahombotra aorian’ny fiterahana.