• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Fortier
Image
Reny&Zaza

« Crampes nocturnes » mahazo ny bevohoka : inona no antony ?

26/08/2026 16:09 © Moov.Mg

Maro amin’ireo vehivavy bevohoka no mifoha tampoka amin’ny alina noho ny fanaintainana mafy eo amin’ny ranjo na ny tongotra. Toe-javatra fahita amin’ny bevohoka, indrindra manomboka amin’ny telo volana faharoa sy fahatelo, ny « crampes nocturnes » na « crampes » amin’ny alina. Na dia tsy mampidi-doza aza izy ireo amin’ny ankapobeny, dia mety hanelingelina ny torimaso sy tsy hampahazo aina.

Inona no atao hoe « crampes nocturnes » ?

Ny « crampes nocturnes » dia fihenjanan’ny hozatra tampoka sy tsy nahy, izay matetika miteraka fanaintainana mafy. Matetika dia amin’ny ranjo, ny tongotra, ny fe na ny rantsan-tongotra izy io no miseho, ary matetika indrindra rehefa matory amin’ny alina.
Mbola tsy fantatra mazava ny antony mahatonga ny « crampes nocturnes » mandritra ny fitondrana vohoka, saingy misy ireo anton-javatra maromaro mety handray anjara amin’izany.

Mitombo ny lanjan’ny zaza sy ny tranonjaza

Rehefa mitombo ny vohoka dia mihalehibe ihany koa ny tranonjaza. Mety hanindry lalandrà sy hozatra sasany mankany amin’ny tongotra izany, ka manelingelina ny fikorianan’ny rà ary mampitombo ny mety hisian’ny « crampes », indrindra amin’ny alina.

Miova ny fikorianan’ny rà

Mandritra ny fitondrana vohoka dia miova be ny fiasan’ny vatana. Mitombo ny habetsahan’ny rà mba hanomezana izay ilain’ny zaza. Izany nefa dia mety hisy fiantraikany amin’ny fikorianan’ny rà any amin’ny tongotra, izay mahatonga fanaintainana sy « crampes » matetika kokoa.

Reraka ny hozatra

Miasa mafy kokoa ny hozatry ny tongotra mandritra ny fitondrana vohoka satria mitondra lanja fanampiny ny vatana. Izany havizanana izany dia mety hiteraka fihenjanan’ny hozatra tampoka, indrindra rehefa avy nijoro na nandeha ela nandritra ny andro.

Tsy fahampiana rano

Mitombo ny filan’ny vatana rano mandritra ny fitondrana vohoka. Raha tsy ampy rano ny vatana dia mety ho mora voan’ny « crampes » ny hozatra, indrindra amin’ny alina.

Tsy fahampian’ny mineraly sasany

Ilaina mafy amin’ny fiasan’ny hozatra ara-dalàna ny kalsioma, « magnésium » ary « potassium ». Raha mihena na tsy ampy ireo mineraly ao amin’ny vatana dia mety hampitombo ny « risques » hampisy « crampes nocturnes » amin’ny vehivavy bevohoka sasany.

Ahoana ny atao hanalefahana ny « crampes nocturnes » mandritra ny fitondra vohoka ?

Raha sendra misy « crampes nocturnes » tampoka dia:
-Ahinjiro moramora ny tongotra ary sintomy mankany aminao ny rantsan-tongotra,
-Ory moramora ilay hozatra marary,
-Mandehandehana kely rehefa mihena ny fanaintainana,
-Asio hafanana malefaka, toy ny lamba mafana na mandro amin’ny rano mafana,
-Matetika dia misinda ny fanaintainana afaka minitra vitsy.

Ahoana no azo atao hisorohana azy?

Na dia tsy azo sorohana tanteraka aza ny « crampes nocturnes », dia misy fomba afaka mampihena ny fisehony:
-Manaova fanatanjahan-tena malefaka sy mifanaraka amin’ny fitondrana vohoka,
-Ahinjiro ny hozatry ny tongotra alohan’ny hatory,
-Misotroa rano ampy mandritra ny andro,
-Mampiasà kiraro mampahazo aina sy manohana tsara ny tongotra,
-Mihinàna sakafo voalanjalanja manankarena kalsioma, « magnésium » ary « potassium ».

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Amin’ny ankapobeny dia tsy mampanahy ny « crampes nocturnes » miseho indraindray mandritra ny fitondrana vohoka. Na izany aza, tsara ny manatona mpitsabo raha:
-maharitra ela ny fanaintainana;
-mivonto, mena na mafana ilay tongotra;
-miverimberina matetika loatra ny « crampes »;
-na misy soritr’aretina hafa mampiahiahy miaraka aminy.

Lire la suite

Articles Similaires