Fotodrafitrasa : Ho vitaina amin’ny volana jona ny asa fanampiny ao anatin’ny Coliseum ao Fianarantsoa
Vita ireo asa lehibe notanterahina tao amin’ny Coliseum Ambatomena ao Fianarantsoa. Tao anatin’izany ny toerana hipetrahan’ireo mpanatrika sy ny toerana hanatanterahana ny seho samihafa. Vinavinaina ho vita ny volana jona izao kosa ireo asa fanampiny mbola mitohy amin’izao fotoana izao. Tonga nijery ny firosoan’ny asa tany an-toerana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH).
Fotodrafitrasa ilaina samihafa
Coliseum lehibe faharoa eto Madagasikara ity hapetraka ao Fianarantsoa ity. Toerana hanomezana fahafaham-po ireo tanora sy ireo mpitia fanatanjahantena izy io. Ankoatra ireo fotodrafitrasa efa vita, izay hahazaka olona 25 000 hatramin’ny 30 000 dia ho vitaina tsy ho ela ihany koa ireo fotodrafitrasa hameno ny toerana ho ampiasain’ireo mpandray anjara. Ao anatin’izany ny « loge artiste », teram-piantsonan’ny fiara, toeram-pivoahana, lakandrano famoahana ireo rano maloto ary ny lalana miditra ao anatin’ny toerana, hoy hatrany ny SENVH.
Raha tsiahivina dia fanatanterahana ny vina nampanantenain’ny Filoham-pirenena ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity. Notanterahin’ny SENVH Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana kosa ny fankatoavana ny asa.
Fotodrafitrasa mafy sady lehibe
« Mafy sady lehibe », izany no namaritan’ny SENVH ny firafitr’ity fotodrafitrasa ity. Raha hatramin’ny 50 000 no zakan’ny Coliseum Antsonjombe dia ny atsasany eo ho eo ny zakan’ity vaovao ao Ambatomena ity.
Natao indrindra handraisana karazana lanonana samihafa izy io, toy ny fampisehoana na ireo hetsika rehetra ara-kolotoraly, ara-pinoana, ara-tsosialy sns …Afaka hampiasa azy ihany koa ny olona rehetra izay natao hanomezana fahafaham-po izay mila azy ny fitaovana sy ny toerana rehetra. Nanolotra fisaorana ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana moa ireo tanora izay tena hisitraka betsaka ny fotodrafitrasa.
Etsy ankilany dia ho atomboka miaraka amin’ireo mpandraharaha ao Fianarantsoa ihany koa ny fanamboarana ny Avenue commerciale, izay efa nampanantenaina.